Pesta

Ny pesta dia aretina avy amin'ny voalavo izay mifindra amin'ny olombelona, izay mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy mitondra ny tsimok'aretina bakteria Yersinia pestis[1]. Izany hoe, rehefa avy nanaikitra voalavo voan'ny pesta ny parasy iray dia mitondra ilay tsimok'aretina izy izay. Io parasy io indray avy eo no manaikitra olombelona ka mamindra an'ilay pesta[2].
Ny niandohany
Ara-bakteria

Ny pesta dia vokatry ny bakteria Yersina pestis izay mipetraka ao amin'ny biby mpikiky toy ny voalavo mainty. Rehefa maty ny voalavo voan'ilay aretina dia hanin'ny namany izay mihinana ny ran'ny biby hafa indray rehefa avy eo[3].
Ara-pikarohana
Araka ny fikarohana dia tany Azia Afovoany no heverina ho niandohan'ny pesta. Araka ny fandinihana nalaina tamin'ny taolam-paty tao Siberia sy amin'ny faritra Altai (Rosia) izay manaporofo fa efa 4 000 taona lasa izay no nisy ny bakteria Yersin pestis[4].
Nahitana trangan'ilay aretina ny tao Athenes (430 tal J.K), na dia mbola tsy voamarina tanteraka aza fa pesta dia maro ny mpikaroka milaza fa mety izy ilay aretina. Ary mbola nahitana sahala amin' izay ihany koa ny tany Konstantinôpla (541 taor J.K) ary tena voaporofo tanteraka, ka nantsoina hoe: "pesta justinien" tamin'izay[5].
Ny nampiely ny pesta tamin'ny faritra samihafa
Fifandraisana ara-barotra
Io fifandraisana ara-barotra teo amin'ny firenena roa na maromaro io no tena nahatonga ny fiparitahan'ilay aretina haingana indrindra. Ny sambo sy lalanan'ny varotra no nitarika ny fiparitahan'ny voalavo[6].
Ady sy fifindra-monina
Nampiely haingana ny aretina tamin'ny miaramila sy ny mpifindra monina izany, vokatry ny fifampikasokasohana sy ny toetany tsy mahazatra no tena nahatonga an'izany.[7]
Ny fiavian'ny teny hoe "pesta"
Ny teny hoe "pesta" dia avy amin'ny teny latina hoe "pestis" izay midika hoe "areti-mifindra" na koa hoe "loza lehibe mitondra fahafatesana". Ary niely tamin'ny firenena eorôpeanina maro ilay teny:
- amin'ny teny frantsay sy pôrtogey ary espaniôla dia "peste" no fiantso azy[8]
- amin'ny teny anglisy dia ny "pest" na "plague" no fiantso azy[9]
- amin'ny teny malagasy dia ny "pesta" no iantsoina azy[10]. Izay noraisina avy amin'ny teny frantsay nandritra ny fanjanahantany.
Ny karazany
Misy karazany roa ny aretina pesta[4]:
- ny voalohany dia ny pesta atoditarimo na ilay atao hoe "peste bubonique". Avy amin'ny kaikitry ny parasy mitondra an'ilay otrikaretina no ahazoana io aretina io.
- ny karazany faharoa dia ny pesta aretin-tratra na ilay antsoina hoe "peste pulmonaire". Ity farany ity moa dia vokatry ny fiitaran'ny pesta atoditarimo tsy voatsabo ka lasa mihanaka any amin'ny rà ary mahatratra ny avokavoka. Mety mifindra amin'ny alalan'ny piti-droran'ny olona samy olona ny pesta aretin-tratra raha tsy voatsabo[4].
Ny fotoana mampirongatra ny pesta

Eto Madagasikara dia amin'ny vanim-potoan'ny main-tany no mampirongatra ny pesta, satria mirongatra ny doro-tanety ka miakatra an-tanana avokoa ny voalavo, nefa efa maro amin'izy ireny no efa marary. Ny parasy anefa dia mety miraikitra sy misitrika anaty akanjo ka entin'ny marary mandehandeha, indrindra moa raha tsy mbola mahafantatra ny aretina ilay olona[2].
Ny fomba fisehony
Samy manana ny fomba fisehony na ny soritr'aretiny avy ireo karazana aretina pesta ireo:
- Ny pesta atoditarimo (peste bubonique): afaka andro vitsivitsy aorian'ny kaikitry ny parasy mitondra ny otrik'aretina dia mety hahatsapa harerahana, fanaviana ary mety hisy atoditarimo (fivontosana manaintaina) miforona eny amin'ny foto-pe, helika ary foto-tenda, arakaraky ny faritra amin'ny vatana voakaikitry ny parasy mitondra ny tsimok'aretina. Miankina tanteraka amin'ny kaikitry ny parasy ny fiparitahan'ity endriky ny pesta ity.
- Ny pesta aretin-tratra (peste pulmonaire): Raha miitatra any amin'ny ra ary mahatratra ny havokavoka ny pesta atoditarimo dia mivadika aretin-tratra. Ity farany ity dia miseho amin'ny alalan'ny fahasemporana sy kohaka ary rehoka misy ra. Sarotra tsaboina tokoa ity endriky ny aretina pesta ity ary raha mety mahafaty ao anatin'ny 3 andro monja[11].
Ny fomba fitsaboana ny pesta
Mora mihanaka ao amin'ny vatana ny aretina pesta ary mahafaty ao anatin'ny andro vitsivitsy raha tsy voatsabo mialoha. Noho izany dia laharam-pahamehana ny manatona toeram-pitsaboana raha vao mitranga ny soritr'aretina, na misy mampiahiahy. Marihina fa mora tsaboina ny pesta raha voatily ara-potoana ary raha voahaja avokoa ny toromarika omen'ny mpitsabo. Maimaim-poana ny fitsaboana izany aretina izany raha eto Madagasikara.
Ny fomba fisorohana ny pesta
Tsy ny parasy rehetra no mamindra ny aretina fa ny parasim-boalavo irery ihany. Ny fomba hisorohana azy dia[5]:
- Ny fanalavirana sy famongorana ny voalavo tsy hiakatra an-tanàna. Noho izany dia mila diovina hatrany ny trano ary dorana na ariana amin'ny fitoerana sahaza azy ny fako sy ny poti-kanina fa tsy aparitaka.
- Esorina ny lobolobo sy rano mihandrona manodidina ny tanàna.
- Fandrihina amin'ny alalan'ny vovo na dity ny voalavo fa tsy mampiasa totam-boalavo.
- Dorana velona ny voalavo rehefa tratra mba tsy hiparitahan'ny parasy.
- Fadina ny mandoro tanety mba tsy hiakaran'ny voalavo any an-tanàna[12].
Ny fomba atao raha misy matin'ny pesta
Mba tsy hiparitahan'ny aretina dia dia tsara raha fonosina avy hatrany ny razana ary tsy andrasana an-trano intsony. Tsy tokony hampidirina anaty fasana ny razana fa atao anaty vata ka alevina anirotra. Na afaka anaovana fasana tsotsotra ihany koa ny faty mba tsy hikitihana ny razana raha sendra misy famadihana atao.
Tabilao maneho ny salan'isan'ny olona matin'ny pesta
Taona sy vanim-potoana |
Anaran'ny valan'aretina |
Faritra tena voa |
Tombanana isan'ny maty |
| 430 taor J.K | Aretina tao Athènes | Athenes (Gresy) | eo amin'ny 100 000 |
| 541 - 750 taor J.K | Pesta Justinien | Ampira Bizantina, Mediteranea | 25 - 50 tapitrisa |
| 1347 - 1351 | Black Death | Eorôpa, Afovoany Atsinanana , Azia | 25 - 30 tapitrisa |
| 1665 - 1666 | Pesta lehibe tany Londres | Londres (Angletera) | eo amin'ny 100 000 |
| 1855 - 1959 | Valan'aretina fahatelo | Azia (Sina, India), Maneran-tany | eo amin'ny 12 tapitrisa |
| 1990 - 2020 | Tranga môderina | Madagasikara, RD Kôngô, Peroa , sns... | 1 000 - 3 000 isan-taona (50 - 200 maty) |
| 2017 | Pesta havokavoka teto Madagasikara | Madagasikara (tanàndehibe sy ambanivohitra) | 200 - 250 |
Loharano : [13]
- Ny Black Death (1347 - 1351) no valan'aretina pesta nahafaty olona betsaka indrindra tamin'ny tantara
- I Madagasikara no iray amin'ny firenena mbola ahitana tranga isan-taona ankehitriny[14].
Loharano nanovozan-kevitra
- ↑ Perry, Robert D. & Fetherston, Joseph D. (1997). "Yersinia pestis - Eticologic Agent of Plague". Clinical Mcrobiology Reviews. 10 (1): 35-66.
- ↑ 2,0 et 2,1 "Imasoy : Un essai clinique inédit pour combattre la peste à Madagascar", www.madagascar-moov.mg
- ↑ Benedictow, Ole J. (2004). The Black Death, 1346-1353: The Complete History. Boydell & Brewer
- ↑ 4,0 4,1 et 4,2 Cohn, Samuel K. (2012). Epidemics: Hate and Compassion from the Plague Athens to AIDS. Oxford University Press
- ↑ 5,0 et 5,1 "Yersinia pestis genomes reveal plague in Britain 4000 years ago", www.nature communication.com
- ↑ Stenseth, Nils C. et al. (2008). "Plague: Past, Present, and Future". PloS Medicine. 5(1): e3.
- ↑ "A historico-medical perspective on ancient epidemics and their impact on past human societies", www.jpmh.org
- ↑ "Peste", Centre National de Ressources Textuelles et Lexicales
- ↑ "Plague", Oxford English Dictionary
- ↑ "Peste", Dictionnaire de l'Académie française
- ↑ "Peste", Institut Pasteur
- ↑ CDC (Centers for Disease Control and Prevention, USA) - Plague Information
- ↑ World Health Organization (2017). "Plague - Madagascar", Weekly Epidemiological Record
- ↑ Bramanti, Barbara et al. (2016). "The Plague: A Historical and Medical Review". Journal of Infection. 72(6): 485 - 493
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.