Sambo

Ny karàka (avy amin'ny teny espaniola carraca)

Ny sambo dia fitaovam-pitaterana mitsingevana eny ambon'ny rano na ranomasina sy afaka mihetsika, entin'ny mpandeha ao anatiny na tsia. Mamaly ny fangatahana ny fitaterana eo ambon'ny rano na eo ambonin-drenirano, ary afahana manano asa famokarana isan-karazany toy ny fitaterana entana na olona, miady eo ambonin-drano, manjono, fitsangantsanganana, ary sampandraharaha hafa toy ny fiarovana ny sambo hafa.

Ny Queen Mary 2 any Alemaina

Ny sambo zavatra nitondra ny olombelona anatin'ny fivoarana ara-tsaina. Zavatra tsy azo navela tamin'ny ady sy ny fandresena, ary koa ho an'ny fanjonoana, niova izy ary singan'ny fomba fivarotana sy fiadiana ankehitriny: sambo mpanjono aman-tapitrisa no ampiasain'ny mpanjono folo tapitrisa eto an-tany ary ny ady ankehitriny dia miantso sambo saro-drafitra mba hitondra sy hanohana ny hery eo an-tany; sambom-barotra 35 000 no nitondra ny 7,4 miliara taonina (t) tamin'ny taona 2007.

Ny sambo koa dia nandray anjara tamin'ny fahitam-baovao ara-tsiansa ary amin'ny fiparitahan'ny kolontsaina: ny mpitondra sambo sinoa toa an'i Zheng He dia nahafahana nizara ny fahitam-baovao toy ny tondroavaratra na ny vanja, ary ny fizahana tany Amerika dia nanaparitaka ny kolontsaina eorôpeanina eo amin'io kôntinenta io. Na dia nampiasaina ho an'ny fanjanahantany sy ny varotra mitelo-joro aza ny sambo, nampiasaina ho an'ny fikarohana ara-tsiansa sy ho an'ny fanjakana ara-kolontsaina ny firenena koa ny sambo.

Araka ny nasehoan'i Thor Heyerdahl tamin'ny Kon-Tiki, afaka miampita ranomasina mivelatra isika amin'ny alàlan'ny zahatra vita vatankazo. Avy amin'ny sambo vita vatan-kazo hatramin'ny mpitondra fiaramanidina atosika amin'ny alàlan'ny fanosehana nioklary ankehitriny, mitantara ny olombelona fotsiny ny sambo.

Fitaovana sy fitao fanamboarana sambo

Hatramin'ny anivon'ny taonjato faha-19 ny ankabeazan'ny sambo dia efa natao tamin'ny fitao rehetra fantatra, indrindra ny hazo, ny hodi-biby, na ny vy ho an'ny sambo lehibe ankehitriny. Ny sambo tamin' i Ejipta taloha dia vita zozoro.

Ankehitriny, ny ankabeazan'ny sambo amboarina ho an'ny varotra iraisam-pirenena dia vita vy. Tamin'ny 1855, ny fanamboarana sambo vita vy sy simenitra dia nobreveten'ny frantsay.

Jereo koa

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.