Biby mpikiky

Biby mpikiky

Ny biby mpikiky no biby mampinono isan-karazany, manana nify tsy mitsaha-mitombo, izay tsy maintsy hafoheziny amin' ny alalan' ny fikikisana tsy tapaka. Mamorona filaharana antao amin' ny fomba siantifika hoe Rodentia izy ireo. Ahitana ny 40 % eo ho eo amin' ny karazana biby mampinono rehetra ny biby mpikiky. Izy ireo no mamorona filaharana lehibe indrindra amin' ny biby mampinono, ahitana karazany 2 000 mahery. Hita amin' ny kôntinenta rehetra izy ireo afa-tsy any Antarktika, ary hita amin' ny toeram-ponenana isan-karazany.

Miovaova be ny habeny, manomboka amin' ny santimetatra vitsivitsy ka hatramin' ny mihoatra ny iray metatra. Anisan' ny biby mpikiky fantatra indrindra ny totozy, eskiora sy ny voalavo. Tsy anisany ny ramanavy. Efa tsy ao anisan' ny Rodentia ny bitro sy ny bitrodia.

Ny sakafon' izy ireo dia tena isan-karazany, manomboka amin' ny vihy sy voa ka hatramin' ny bibikely ary na dia ny hena aza amin' ny tranga sasany. Afaka miteraka maro dia maro izy ireo, izay manampy amin' ny fahombiazan' ny fivoarany.

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.