Però


I Però na Peroa dia firenena ao Amerika Atsimo. I Lima no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Lima. Mirefy 1 285 16 km2 ny velaran-taniny ary miisa 30 475 144 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr' ora dia −5. Manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika izy.
Azo zaraina ho faritra voajanahary telo i Peroa: ny lemaka amorontsiraka (ny Costa) sy ny tandavan-tendrombohitra Andes (ny Sierra) ary ny tany Amazoniana (ny Montaña). Ny lemaka amorontsiraka dia taniefitra tery manaraka ny halavan' ilay firenena (any amin' ny ilany andrefana) ary manana toetany mangatsiatsiaka.

Any atsinanan' ity lemaka ity (any afovoan-tany) dia faritry ny tany avo, anisan' izany ny tandavan-tendrombohitra avo indrindra amin' ny Andes (i Huascarán no tendro avo indrindra any Peroa, 6 768 m); io faritra io, izay mandrakotra ny 30 %-n' ny tanim-pirenena, dia manana toetany mangatsiaka sy maina. Farany, any avaratra-atsinanana, ny tany Amazôniana dia 60 % amin' ny velaran' ilay firenena; io lemaka midadasika io dia tondrahan’ ny ony Amazônia ary rakotra ala; mafana sy mando ny toetany.
Ny ankamaroan' ny mponina ao Però dia Amerindiana, nefa koa ahitna Peroviana manam-piaviana eorôpeana (indrindra fa Espaniôla). Ny kristianisma no fivavahan’ ny mar anisa ; na izany aza, maro amin' ny teratany amerindiana no manambatra ny finoana nentim-paharazana sy ny kristianisma. Monina indrindra any an-tanàn-dehibe ny Peroviana; mipetraka ao amin' ny Sierra sy ao amin' ny lemaka amorontsiraka ny ankamaroany.
Ny ankamaroan' ny haren' i Pero dia avy amin' ny harena ambanin' ny tany: isan' ireo mpamokatra volafotsy, firapotsy, firaka ary varahina lehibe indrindra eran-tany izy. Ny indostrian' ny jono koa dia seha-pandraharahana lehibe.
Tanàna lehibe
Tamin'ny 2023, 79 isan-jaton'ny mponina ao Però no nipetraka an-tanàn-dehibe.
Ny tanàna lehibe indrindra dia:
- Lima (11,2 tapitrisa mponina)
- Trujillo (800.000)
- Arequipa (1,13 tapitrisa)
- Callao (824,329)
- Chiclayo (634,600)
- Iquitos (400,000)
- Huancayo (350.000)
Jereo koa
Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela
Kôntinenta eto an-tany
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.