Grisia
| Ελληνική Δημοκρατία ((el)) | |||||
| Ellinikí Dhimokratía el | |||||
| Repoblika Helenika ((mg)) | |||||
| |||||
| Teny filamatra : (amin'ny grika ankehitriny) (Elefthería í thánatos) ("Fahalalahana na fahafatesana") | |||||
| Teny ofisialy | grika ankehitriny | ||||
| Renivohitra | Athina 38°00′N 23°42′E / 38.000°N 23.700°E | ||||
| Tanàna lehibe indrindra | Atena | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Reponlika araka antenimiera Katerina Sakellaropoulou Kyriakos Mitsotakis | ||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 94 131 957 km² 0,86% | ||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 74 11 282 751[1] mpo. 85,3 mpo./km² {{{1}}} | ||||
| Anaran'ny mponina | Grika | ||||
| IDH (2010) | Endrika:Mitombo 0.855 (avo) faha 22 | ||||
| Sandam-bola | Euro (EUR)
| ||||
| Faritr'ora | UTC +2 | ||||
| Hiram-pirenena | Ímnos is tin Elevtherían (Anteman'ny fahalalahana) | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+30
| ||||
I Grisia na Gresy na Repoblika Helenika dia firenena any Eorôpa Atsimo, ao amin' ny farany atsimon' i Balkana, izay manana morontsiraka ao amin’ ny ranomasina telo, dia ny Ranomasina Egea sy ny Ranomasina Mediteranea ary ny Ranomasina Iôniana. Atao hoe Ελλάδα / Ellada izy amin' ny teny grika. I Athina no renivohiny. Ny velaran-tanin' i Grisia dia mirefy 131 957 km2. Mizara sisin-tany aminy i Albania, i Makedônia Avaratra, i Biolgaria ary i Torkia.
Manana nosy betsaka ity firenena ity. Saika ny antsasaky ny tanin’ i Grisia dia rakotra tendrombohitra ka i Olympe no tendrombohita avo indrindra any, izay mahatratra haambo 2 917 m.
Monina ao Athina renivohitra sy ny manodidina ny ankamaroan’ ny mponina. Anisan’ ireo tanàna maloto tontolo iainana indrindra any Eorôpa i Athina.
Hatramin’ ny fahaterahany ka hatramin’ ny taonjato faha-4 taor. J.K., ny tantaran’ i Grisia dia tantaran’ i Grisian’ ny Andro Taloha. Ny famirapiratan’ i Athina dia nahatratra ny fara tampony tamin’ ny andron’ i Periklesy, teo amin’ ny lafiny pôlitika sy kolontsaina ary zavakanto. Nifarana tamin’ ny fahazoan’ ny Rômana an’ i Grisia ny Andro Taloha Grika. Tafakambana ao amin’ ny Empira Bizantina i Grisia tamin’ izay, ary taty aoriana dia tao amin’ ny Empira Ôtômana.
Tamin’ ny taonjato faha-19 dia niady tamin’ ny Torka ny Grika ka azony ny fahaleovan-tena tamin’ ny taona 1829. Taorian’ ny Ady Lehibe Voalohany dia nisy indray ny ady nifanaovan’ i Grisia tamin’ i Torkia. Nifandimbindimby ny vanimpotoan’ ny repoblika sy ny an’ ny fanjakà-mpanjaka, ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ ny Ady Lehibe Faharoa, izay niteraka ady an-trano teo amin’ ny mpomba ny fitondrà-mpanjaka sy ny kômonista. Izany tsy fahamarinan-toeran’ ny pôlitika izany dia niafara tamin’ ny fametrahana fitondrana jadona notarihin’ ireo manam-boninahitra miaramila tamin’ ny taona 1967 hatramin’ ny 1974. Tafaverina indray ny demôkrasia taty aoriana ka nahafahan’ i Grisia nandray anjara tamin’ ny fananganana an’ i Eorôpa nanomboka tamin’ ny taona 1980. Firenena mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana i Grisia hatry ny taona 1981 ary mpikambana ao amin' ny faritra Euro hatry ny taona 2001.
Jereo koa
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
Tsiahy
|
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.
