Kenià
| Republic of Kenya ((en)) | |||||
| Jamhuri ya Kenya sw | |||||
| Repoblikan' i Kenià ((mg)) | |||||
| |||||
| Teny filamatra : Harambee (Soahily : Andao hiara-miasa) | |||||
| Teny ofisialy | Soahily, anglisy | ||||
| Renivohitra | Nairobi 1°16′S 36°48′E / 1.267°S 36.800°E | ||||
| Tanàna lehibe indrindra | Nairobi, Mombasa, Kisumu | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Repoblika Uhuru Kenyatta Raila Odinga | ||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 48 580 367 km² 2,3 | ||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 33 38 610 097 mpo. 66 mpo./km² {{{1}}} | ||||
| Anaran'ny mponina | Kenianina | ||||
| IDH (2011) | Endrika:Mitombo 0.509 (faible) faha 143 | ||||
| Sandam-bola | Shilling kenianina (KES)
| ||||
| Faritr'ora | UTC +3 | ||||
| Hiram-pirenena | Ee Mungu Nguvu Yetu | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+254
| ||||
I Kenià na Repoblikan' i Kenià dia firenena any Afrika Atsinanana, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, izay misy nosy maro (miisa mihoatra ny 400), manana velaran-tany mirefy 580 367 km². Ny renivohiny dia i Nairobi. Atao hoe Kenya na Jamhuri ya Kenya i Kenià amin' ny teny soahily fa Kenya na Republic of Kenya kosa amin' ny teny anglisy. Atao hoe Keniana ny vahoakan' io firenena io.
Mierinerina eo fovoany ny tangorom-bohitra izay ahitana ny tendrombohitra Kenya izay avo indrindra ao (5 199 m). Ao andrefana no ahitana ny Rift Valley izay fitandaharan-kantsana lalina. Saika an' i Kenià manontolo ny farihy Turkana ary ao amin' ny tanin' i Kenià koa ny ampahan' ny farihy Victoria (izay farihy lehibe indrindra aty Afrika).
Betsaka bibidia ny ao Kenià, ka mampalaza azy izany, toy ny elefanta, ny antilôpa, ny zebra, ny jirafa, ny liona, ny bibilava sy androngo, ny vorona samihafa sns. Manana valan-javaboary sy tahirin-javaboary maro i Kenià izay mahatratra ny 10 %n' ny velaran-tanin' io firenena io, mba hiarovana ireo biby ireo.

Nisy mponina miisa 47 564 296 ny ao Kenià tamin' ny taona 2019. Karazam-bahoaka maro no mitambatra ho mponin' i Kenià, ka ny maro an' isa amin' izany dia ny Kikoio sy ny Masay. Ahitana vahoaka vitsy anisa koa ao, toy ny Indiana, ny Eorôpeana, ny Arabo ary ny Sômaly. Mpino kristiana ny ankabetsahan' ny Keniana, nefa ahitana mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista koa ao. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny soahily no fiteny ôfisialy ao Kenià.
Mivelona amin' ny fambolena ny ankamaroan' ny Keniana. Mahaleo tena ara-tsakafo i Kenià raha amin' ny fambolena legioma, fary, mananasy, voanjo, vary, katsaka, sns. Mamboly voly fanondrana koa izy ireo ka ny lehibe amin' izany dia ny dite. Miompy koa ny Keniana, indrindra ny ondry sy ny omby ary ny osy. Mamokatra herin' aratra koa i Kenià ka ny goavana amin' izany dia ny ao amin' ny tohodranon' i Kiambare sy ny an' i Turkwell. Mandroso koa ny fizahàn-tany izay loharanon-karena lehibe ao amin' io firenan io.
Jereo koa
Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenià - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizerià - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany
Rohy Ivelany
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Kenya |
Tsiahy
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.