Zebra

Ny zebra dia biby misy nono ao Afrika atsimon' i Saharà, indrindra ao amin' ny tapany afovoany sy atsimo amin' i Afrika, mitovitovy amin' ny boriky dia, miloko mitsoriandriaka mainty sy fotsy ny hodiny. Miovaova arakaraka ny karazana zebra sy ny zebra tsirairay ny endrika sy ny toerana misy izany mitsoriadriaka izany, ka mampiavaka ny karazana sy ny zebra tsirairay. Iva kokoa noho ny soavaly ny zebra izay manana halavana mirefy 1,90 hatramin' ny 2,60 m. Fohy ny vombony izay mitsangana, lehibe ny sofiny, ary misy volo betsaka ny mankany amin' ny tendron' ny rambony.



Misy karazany telo ny zebra, dia ny zebra an-tany lemaka (Equus quagga na Equus burchellii) sy ny zebra an-tendrombohitra (Equus zebra) ary ny zebran' i Grévy (Equus grevyi). Ny zebra an-tendrombohitra sy ny zebra an-tany lemaka dia mitovitovy endrika amin' ny soavaly fa ny zebran' i Grévy kosa mitovitovy amin' ny boriky. Ahitana azy ireo ny eny an-kijana, anaty hivoka, amin' ny kirihitra misy tsilo, any anaty ala, an-tendrombohitra sy an-kavoana amorontsiraka. Mihalany tamingana ny zebran' i Grévy sy ny zebra an-tendrombohitra.
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.