Animisma

Alitara (na ôtely) animista ao amin' ny tanàna ambanivohitry ny Bôzô, any Mopti, Bandiagara, any Maly, tamin' ny taona 1972.

Ny animisma dia finoana ny fananan' ny zavatra rehetra fanahy sy aina, ka tsy ny olombelona sy ny biby ihany izany fa ny zavatra hafa toy ny hazo, ny rivotra, sns. Inoana koa ao amin' ny animisma ny fisian' ny fanahy maro tsy hita maso izay mpiaro. Avy amin' ny teny latina hoe anima izay midika hoe "fanahy" na "aina" ny teny hoe animisma.

Ireo fanahy na aina ireo dia fisehoan' ny razana efa maty na fisehoan' ny fanahin' ny andriamanitra biby, izay afaka miasa amin' ity tontolo tsapa ity, na amin' ny lafiny tsara izany na amin' ny lafiny ratsy, izay anaovana fanompoam-pivavahana. Inoan' ny animista ny fisian' ny fiainana aorian' ny fahafatesana. Ny animisma dia hita amin' ny faritra maro eto ambonin' ny tany amin' ny kôntinenta rehetra.

Ny fisehon' ny animisma

Ny fetisisma

Ny fetisisma dia fivavahana amin' ny zavatra heverina ho manana hery ambonin'  ny ara-boajanahary. Karazana animisma ny fetisisma.

Ny tôtemisma

Ny tôtemisma dia finoana ny fisian' ny razana na fanahy mpiaro ny foko na vondrom-poko iray, izay mitoetra ao amin' ny atao hoe tôtema, izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina. Karazana animisma koa ny tôtemisma.

Ny samanisma

Amin' ny kolontsaina animista amin' ny faritra sasany dia afaka mifandray sy mifampiresaka amin' ny fanahy tsy hita maso ny velona amin' ny alalan' ny mpanelanelana atao hoe samàna (karazana mpimasy na ombiasa): izany no atao hoe samanisma.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.