Bibilava

Bibilava

Ny bibilava dia biby manana taolana, matetika mivelona an-tanety, manatody, nefa tsy manana na tongotra na elatra. Atao hoe Serpentes ny anarany ara-tsiansa, izay zana-pilaharana ao amin' ny Squamata (misy kirany mety miofaka), mihinan-kena, manana vatana lava be ary tsy misy rantsambatana hita maso. Anisan' ny Reptilia (biby mandady na mikisaka) izy ireo. Manana karandoha misy singan-taolan-doha maro kokoa noho ny razambeny ny karazana bibilava maro, ka mahatonga azy ireo ho afaka mitelina remby lehibe lavitra noho ny lohany vokatry ny fananany valanorano afaka misokatra be.

Raha ny marimarina dia biby manana hazondamosina (Vertebrata), manana kitapon-dranondoha itoeran' ny zanany ao an-kibony ny vavy (Amniota), miavaka noho ny fananany hoditra rakotra kirany mifampiditra ary voaaron' ny sosona keratinina mafy matevina, sy noho ny fahafahana mametra ny maripana amin' ny alalan' ny fomba telo: tsy famokarana hafanana firy (ektôtermia), fiovan' ny maripana arakaraka ny toerana misy azy (mangatsia-drà: pôikilôtermia) ary tsy fandaniana angovo firy (bradimetabôlisma).

Amphisbaena alba (Amphisbaenia)
Siphonops annulatus (Gymnophiona)

Manana toetra manokana ny bibilava amin' ny fananany lela mizara roa, tsy fisian' ny hodi-maso, karandoha misy vaniny ary valanorano afa-mihetsika be izay manamora ny fitelemany remby.

Itoviany amin' ny vondrona roa hafa manana hazondamosina efa-tongotra (Tetrapoda) ny fanjavonan' ny tongotra: ny Amphisbaenia, izay biby hafa manana hoditra misy kirany, sy ny Gymnophiona, izay ao amin' ny zana-kilasy Lissamphibia.

Ivon-tandindona manan-danja mampahatsiahy fedrà sy angano ary arira maro ny bibilava izay manambatra lafin-javatra tsara sy ratsy.

Kolontsaina

Ohabolana

  • Bibilava ela niforetana ka hitsotra kely ho hitan' ny olona.
  • Bibilava fahenina mitera-pahafito, ka manan-tombo refy noho ny reniny
  • Bibilava nisambotra androngo ka nanantena ny fahalavana.
  • Bibilava sy olombelona : matahotra, atahorana.
  • Bibilava vonono: tsy manan-tanan-kamaly, tsy manan-tongotra hitsipaka, tsy manam-bava hivalo, fa todin' aina no andrasana.
  • Toy ny bibilava sy vitsika : samihafa tarehy ka mianaka.

Tandindona sy fedrà ary angano

Tandindona manerantany momba ny bibilava

Ouroboros
Tehin' i Asklepiôsy

Ny bibilava dia miofo ka manala ny hodiny: noho izany dia mariky ny fahaterahana indray sy ny fiovana ary ny tsingerin' ny fiainana izy. Tany Ejipta fahiny dia mifandray amin' ny mandrakizay sy ny fahaterahana indray ny bibilava (ohatra: Ouroboros, ilay bibilava manaikitra ny rambony).

Teo amin' ny Grika dia nampifandraisina amin' i Asklepiôsy, andriamanitry ny fitsaboana, ny bibilava — izany no niavaian' ny ny "tehin' i Asklepiôsy", izay mbola ampiasaina ankehitriny ho famantarana ny fitsaboana. Amin' ny fomban-drazana afrikana sy amerindiana sasany dia fanahy hendry sy mpiambina tsiambaratelo ny bibilava.

Mety ho mpiaro na mampidi-doza, mpanasitrana na mpanapoizina ny bibilava. Mariky ny fahavokarana sy ny fahafatesana na ny fakam-panahy koa izy, arakaraky ny kolontsaina.

Aty Afrika

Aty Afrika dia matetika inoana ho masina ny bibilava, mifandray amin' ny razana, amin' ny fahavokarana na amin' ny fanahin' ny zavaboary. Eto Madagasikara, ao amin' ny fomban-drazana sasany, dia heverina ho fihetsika tsy azo atao ny mamono bibilava: heverina ho razana (itoeran' ny fanahin' ny razana) ny bibilava sasany; famantarana ny fanatrehan' ny razana ny fisehoan' ny bibilava mandritra ny famadihana any amin' ny faritra sasany eto in' ny Nosy.

I Vishnu mandry eo ambonin' i Shesha

Any India

Any India dia omem-boninahitra sy ivavahana ny nāga, (fr) bibilava masina, izay matetika mifandray amin' ny rano sy ny orana ary ny fiarovana avy amin' ny andriamanitra. Indraindray dia aseho mandry eo ambonin' ny bibilava misy loha arivo atao hoe Shesha na Ananta (fr) ny andriamanitra Vishnu.

Tany Gresy sy Rôma fahiny

Hermesy

Tany Gresy sy Rôma fahiny, i Hermes dia nanana tehina misy bibilava roa mifampirongorona sy misy elatra eo amboniny, izay mariky ny fifandanjana sy ny varotra. I Medusa dia misy bibilava maro solon' ny volon-dohany, izay maneho ny hery mampatahotra ao amin' ny vehivavy.

Ao amin' ny Baiboly

Ilay Menarana Varahina (sary nataon' i James Tissot,1896–1902)

Ao amin' ny Baiboly, ny bibilava dia mpaka fanahy, nitaona an' i Eva hihinana ilay voankazo voarara - noho izany dia mifandray amin' ny fahotana sy ny hafetsena ny bibilava. Ao amin' ny Bokin' ny Nomery anefa i Mosesy na Môizy dia nanangana menarana varahina izay nanasitrana ny marary, famantarana ny famonjena.

Tany Amerika

Quetzalcoatl

Tany Amerika talohan' ny fahatongavan' i Christophe Colomb, ny andriamanitra azteka Quetzalcoatl: bibilava misy volom-borona, maneho ny fahendrena sy ny rivotra ary ny famoronana.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.