Sokatra

Soka-dranomasina maitso

Ny sokatra[1] dia biby mandady (Reptilia) izay mamorona ny filaharana Testudines, misy hazondamosina efa-tongotra (Tetrapoda) izay manana karan-doha tsy misy lempom-pihirifana sy manana akora misy plastrôna manandrify ny kibo sy ny harany eo an-damosina, mifandray amin' ny alalan' ny karazana tetezana roa amin' ny ilany havia sy havanan' ny vatany.

Voatsinjara telo araka ny tontolo ivelomany ny sokatra:

Manatody ny sokatra ary isaky ny 10 ka hatramin' ny 12 volana ny fanatodizany. Mitombo haingana aloha ny sokatra mbola kely, avy eo mihamiadana izany fitombony izany. Arakaraka ny karazany dia misy ny sokatra tsy mihinana afa-tsy zavamaniry, sy ny mpihinan-kena na mihinan-trondro, ary ny mpihinana karazan-tsakafo maro. Misy ny karazan-tsokatra izay mampiditra ny lohany any anaty harany amin'ny alalan'ny fampiforetany ny vozony ho toy ny "S" (ambony ambany) sy ireo izay mampitsivalana ny vozony miankavanana na miankavia.

Tamin' ny volana Desambra 2019 dia fianakavian-sokatra miisa 14 no mitsinjara amina vondron-karazana miisa 86 sy karazana miisa 343. Ankoatra ny faritry ny tendrontany dia miparitaka amin'ny ampahany betsaka amin' ny Tany ireo biby mangatsia-dra ireo ary afaka miaina any amin' ny toeram-ponenana tena samy hafa. Atahorana ho lany tamingana ny 42% amin' ireo karazana ireo, noho ny fahapotehan' ny toeram-ponenany na noho ny fihazana tafahoatra zy ny fanondranana antsokosoko mankany ivelany. Amin' ireo tranga roa ireo dia tena mavesa-danja ny asan' ny olombelona, na dia eo aza ny fiarovana ireo biby ireo.

Tantara

Inoana ho tamin' ny fotoan' ny dinôzôro, 200 tapitrisa taona tany aloha tany, no nisian' ny sokatra voalohany. Ady hevitra be ny momba ny tena razambeny marina.

Fiarovana

Ny ankabeazan' ny sokatra dia arovana, koa amin' ny ankapobeny dia tsy azo atao ny miompy, mividy na mivarotra sokatra, ary indrindraindrindra ny manondrana azy ireny. Any andafy dia azon' ny olona te hifandray akaiky amin' ny sokatra atao ny manatona ivon-toerana fiompiana sy fiarovana azy ireny ary mirotsaka ho mpanampy terem-panahy.

Misy fifanarahana CITES natao tany Washington mitanisa ny karazan-tsokatra tsy azo avarotra. Sazy mafy no setrin' ny fandikana izany fitsipi-pifehezana izany.

Ny fahalotoan' ny tontolo iainana, ary singanina manokana amin' izany ny ateraky ny harona plastika, eo koa ny fampiasana harato ary ny fiovan' ny toetany no antony voalohany mahalany tamingana ny sokatra.

Sakafo

Maro samihafa ny sakafon' ny sokatra, arakaraka ny karazany. Ny sasany mihinana zavamaniry, ny hafa mihinana nofom-biby, misy koa ny sady mihinana zavamaniry no mihinana nofom-biby.

Amin' ny ankapobeny dia mihinana zavamaniry ny sokatra an-tanety: ravinkazo na voankazo samihafa, mety hiampy sifotra koa indraindray. Tsy tokony homena hena, nofon-trondro, sakafon' alika na sakafon-tsaka, paty, vary, mofo na ronono izy ireny; hohaniny soa aman-tsara ireny kanefa tena mety hanimba ny fahasalamany (mampiova endrika ny harany, mampihena ny fahelam-piainany...).

Ny sokatra an-drano indray anefa dia sady mihinana zavamaniry no mihinana nofom-biby ihany koa. Matetika dia amin' ny fahatanorany izy no mihinan-kena ary avy eo manjary mizatra zavamaniry arakaraky ny fandrosoan' ny taonany.

Tomban-taona iainana

Marina fa ela velona ny sokatra, nefa vitsy ihany kosa ny maharitra taonjato iray. Ny salanisam-pahaveloman' ny sokatra dia eo amin' ny 50 taona eo ho eo. Anisan' ny fahela velona voarakitra ny an' ilay sokatra atao hoe Harriet, sokatra mankadiry tany amin' ny Vondronosy Galapagos, izay naharitra 175 taona, na ny an' i Adwaita, sokatra mankadiry tao Seisely izay nolazaina fa maty tamin' ny faha-250 taonany.

Lahy sa vavy?

Mahatsikaiky ny hahatonga ny atodin-tsokatra sasany ho lahy na vavy: raha akotrika ao anaty fasika mangatsiatsiaka (20 °C) na mafana be (40 °C) hono ny atodiny dia miteraka sokatra vavy, nefa raha maripana antonontonony kosa dia manome sokatra lahy.

Afaka fantarina ihany koa ny sokatra lahy na vavy efa lehibe. Somary milentika ny kibon' ny lahy raha toa ka mivohitra kosa ny an' ny vavy. Sady manamora ny firaisana izany no manamora ny fanatodizana ihany koa. Ny hohon' ny sokatra lahy koa dia somary mibiloka sy lava, nefa mahitsy sy fohy kokoa ny an' ny vavy. Fanampin' izay dia lehibe kokoa ny rambon' ny sokatra lahy raha miohatra amin' ny an' ny sokatra vavy.

Ny sokatra vao foy dia tsy fantatra na lahy na vavy. Mila miandry eo amin' ny 3 na 4 taona eo vao afaka inoana ny mahalahy na mahavavy azy.

Arribada

Amin'ny fotoana maha-iva indrindra ny ranomasina sy ny onja dia miara-manatody ny sokatra eny amin' ny morontsiraka. Io no atao hoe arribada.

Fiheverana momba ny sokatra

Amin' ny fisainana tatsinanana dia midika fahendrena, fahela velona, tsy fahafatesana, ary ny Tany ny sokatra[2].

Jereo koa

Rohy ivelany

Sehatra momba ny sokatra eto Madagasikara

Sehatra miteny anglisy

Sehatra amin' ny teny alemanina

  • "Cuora amboinensis Kamaroma", Rui Pessoa,2007, Lisbon, Portugal

Sehatra amin' ny teny italiana

Sehatra amin' ny teny espaniôla

Sehatra amin' ny teny neerlandey

Sehatra momba ny lalàna

Sehatra ahitana sary ahafahana mamantatra ny karazan' ny sokatra iray

Sehatra momba ny fiarovana ny sokatra an-dranomasina

Ny krizy lehibe mahazo ny sokatra any Azia

Sehatra hafa

Loharano sy fanamarihana

  1. https://mg.globalvoices.org/2014/04/13/59048/
  2. Lahatsoratra momba ny dikan'ny sokatra Archived Novambra 6, 2005 at the Wayback Machine nataon'ny mpikambana amin'ny Wikipédia anankiray tamin'ny taona 2004.

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.