Tendrontany

Ny tendrotany dia ny tampony roa, atsimo sy avaratra, amin' ny bolantany, tendron' ilay teza tsy hita maso mipaka amin' ny velaran' ny Tany, heverina fa ihodinany. Samy manana ny tendrony koa ny zava-mitsingevana eny amin' ny habakabaka (ny planeta, ny volana sy ny satelita hafa, ny masoandro sy ny kintana).
Ny tendrontany roa
Tendrontany avaratra

Ny tendrontany avaratra dia toerana ara-jeôgrafia any avaratra indrindra eto an-tany, any ampovoan' ny Ranomasimbe Arktika. Eo anelanelan' ny -43 °C sy 0 °C ny hatsiaka any amin' ny tendrontany avaratra, izay no mampisy ny ranomandry lalandava any amin' ny tendrontany.
Tendrontany atsimo
Ny tendrontany atsimo dia ny teboka farany atsimo indrindra eto amin' ny Tany. Ao amin' ny kôntinenta Antarktika no misy azy. Io no teboka ihaonan' ny laharan-jara hasina rehetra any atsimo indrindra.
Ny toetanin-tendrontany
Ny faritra misy ny toetanin-tendrontany dia eo anelanelan’ ny faribolan-tendrontany sy ny tendrontany. Tsy dia misy firy ny rotsak’ orana ary ny maripana dia ambany dia ambany, mahalana raha hihoatra ny 0 °C. Rakotra ranomandry mandrakariva ireo faritra ireo. Rakotra ranomandry i Arktika izay ahitana an’ i Goenlandy sy i Siberia any avaratra. Toraka izany koa i Antarktika any atsimo, izay efa nahitana hatsiaka mahatratra -88 °C. Mety mahatratra 3 000 m ny hatevin’ ny ranomandry amin’ izany.
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.