Slôvakia


I Slôvakia firenena ao Eorôpa. Ny renivohiny dia i Bratislava. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 49 035 km2 ny velaran-taniny ary miisa 5 410 836 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +1.
I Slôvakia dia eo anelanelan’ i Hôngria sy i Pôlônia. Mizara sisin-tany amin’ ny Repoblika Tseka, izay nitambatra taminy tao amin’ i Tsekôslôvakia hatramin’ ny taona 1993, koa izy, Firenena be tendrombohitra izy, ary saika ny antsasaky ny taniny no rakotra ala.
Nanomboka tamin’ ny fivakisan’ i Tsekôslôvakia dia nanatanteraka fanavaozana ara-toekarena lehibe i Slôvakia, nefa milanto kokoa noho ny an’ i Tsekia izany. Kely kokoa ny fampiasam-bola vahiny ao aminy ary nampandroso ny toekarenanany araka ny an’ ireo firenena ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana izy.
Ny Hongariana no nanjakazaka tamin’ ny faritra misy an’ i Slôvakia, ka hatramin’ ny taona 1918 dia lasa faritra ao amin’ ny Empira Aostrô-Hongariana, nentin’ ny Habsborga, izy. Taorian’ ny Ady Lehibe Voalohany dia rava ny Empira Aostrô-Hôngariana. Nitambatra ny Tseka sy ny Slôvaka ka namorona fanjakana mahaleo tena antsoina hoe Repoblikan' i Tsekôslôvakia, nefa niharatsy haingana ny fifandraisan’ izy ireo: nanohitra ny hanaovana ny fiteny tseka ho fiteny manan-tombony sy nanohitra ny handraisan’ ny Tseka andraikitra be kokoa ao amin’ ny fitondram-panjakana ny Slôvaka. Tamin’ ny taona 1939 dia nanao fifidianana ny Slôvaka ka nandany ny hahazoany fahaleovan-tena sady nisafidy ny fananganana fitondrana fasista, nefa nanafika an’ ity firenena ity ny Alemana. Taorian’ ny ady dia niorina indray i Tsekôslôvakia ka niova ho firenena demôkratika enti-bahoaka notarihin’ ny fitondram-panjakana kômonista naka tahaka ny Firaisana Sôvietika. Tamin’ ny taona 1968 dia nanafay ny Lohataonan’ i Prague, izay andrana fampanjakana ny demôkrasia tao amin’ io firenena io, ny tafika ao amin’ ny Dinan’ i Varsovia izay tafika miara-dia amin’ ny Frasana Sôvietika. Taorian’ ny nahazoan’ i Mikhaïl Gorbatchev ny fahefana, izay nanatanteraka fanavaozana, dia nizotra moramora tamim-pilaminana mankany amin’ ny fitodrana demôkratika i Tsekôslôvakia: izany no atao hoe "Fiovam-penitra malabolambo" (frantsay "Révolution de velours"). Ilay mpanoratra Václav Havel no lasa filoham-pirenena tamin’ ny taona 1989. Tamin’ ny 1 Janoary 1993 anefa dia nivaky i Tsekôslôvakia ka teraka ny Repoblika Tseky sy i Slôvakia. Tamin’ ny taona 2004 no niditra ho mpikambana ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana i Slôvakia.
Jereo koa
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.
