Septambra
Ny volana Septambra dia volana fahasivy ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Avy amin' ny teny latina hoe september (avy amin' ny hoe septem, "fito") ny anarany, satria io no volana fahafito tao amin' ny tetiandro rômana fahiny. Ny volana Septambra no volana voalohany amin' ny fararano any amin' ny ila-bolantany avaratra ary volana voalohany amin' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany atsimo; ny ekinôksa dia mitranga amin' ny 21, 22, 23 na 24 Septambra.
Tantara
Tetiandro rômoliana
Tany am-boalohany ao amin' ny tetiandro rômana antsoina hoe "tetiandro rômoleana" izay nahitana volana folo, ny volana Septambra dia volana fahafito amin' ny taona. Io anarana io dia avy amin' ny teny latina hoe September, avy amin' ny hoe septem, "fito", sy ny tovana -bris izay angamba avy amin' ny teny latina hoe ber "mitondra", na avy amin' ny andian-teny hoe ab imbre, "aorian' ny oram-panala".
Ny Rômana, rehefa zatra naneho ho olona na andriamanitra ny zavatra rehetra izay nanahirana ny nanazava azy (toy ny tsingerina isan-taona), dia nametraka ny andriamanitra "tsara" amin' ny lafiny iray ary ny andriamanitra "ratsy" amin' ny lafiny ilany, ary nitandrina mba ho eo ambanin' ny fiarovan' ny voalohany, ka hiaro ny tenany tsy ho azon' ny faharoa. Ny volana efatra voalohany amin' ny taona ihany no mifandray amin' ny andriamanitra mpiaro, ka ny telo amin' izy ireo dia andriamanibavy: ny Martius (volana Marsa) natokana ho an' ny andriamanitra rômanina Marsa, ny Aprilis (volana Aprily) ho an' i Afrôdita, ny Maius (volana Mey) ho fanomezam-boninahitra an' i Maia, ny Iunius (volana Jona) ho fanomezam-boninahitra an' i Jonô. Ny enim-bolana farany dia notondroina amin' ny isa izay natao mba hahafaha-manavaka azy ireo mandritra ny taona: ny Quintilis ho an' ny volana fahadimy, ny Sextilis ho an' ny fahenina, ny September ho an' ny fahafito, ny October ho an' ny fahavalo, ny November ho an' ny fahasivy, ny December ho an' ny fahafolo. Amin' io tetiandro io, ny volana Marsa no volana voalohany amin' ny taona rômana.
Tetiandro pômpiliana sy joliana
Araka ny lovantsofina notantarain' ny mpanoratra latinina (Ôvidio, Varô), dia lasa nisy 12 volana ny tetandro, na tamin' ny naha mpanjaka an' i Noma Pômôlio (Numa Pompilius), na tamin' ny fitondran' ny Decemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. ary ny Janoary no lasa volana voalohany amin' ity antsoina hoe "tetiandro pômpiliana" ity mba hanakaiky kokoa ny fiandohan' ny taona amin' ny sôlstisy ririnina izay mamarana ny vanim-potoana tsy isian' ny famokarana ary manomboka ny fanavaozan' ny Masoandro.
Na izany aza, ny taona rômana dia fantatra amin' ny daty nifidianana ny kônsoly roa, izay nandray ny fahefana tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K. Ny fiandohan' ny taon' ny kônsoly dia napetraka amin' ny 1 Janoary tamin' ny nampidirana ny tetiandro joliana tamin' ny 45 tal. J.K., i Jolio Kaisara dia nampanombka izany, tsy tamin' ny sôlstisy ririnina, fa tamin' ny tsinam-bolana manaraka mivantana an' io sôlstisy io, mba hifanaraka amin' ny toetsain' ny Rômana, izay zatra ny taom-bolana.
Tamin' ny Andro Antenatenany
Tamin' ny Andro Antenatenany, ny firenena kristiana dia mampiasa ny tetiandro joliana ary nanomboka ny fanisana ny taona amin' ny fety ara-pivavahana lehibe iray, dia ny 25 Desambra (fomban' ny Fahaterahan' i Jesoa), ny 25 Martsa (fomba flôrentina na fomban' ny Fanambaràna), na amin' ny Paska (fomban' ny Paska) toy ny any amin' ny faritra frantsay sasany. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia manohy mampiseho ny taona araka ny fomba amam-panao romana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra.
Ireo zavatra nitranga tamin' ny Septambra
Teraka
Maty
- 1962 : Georges Kramer — mpilalao baolina kitra
- 1979 : Ādolfs Sīmanis — mpilalao baolina kitra
- 1991 : Wsiewołod Jakimiuk — injeniera
- 2000 : Georgiy Gongadze - Mpanao gazety
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.