Fararano
Ny fararano no fizaran-taona manaraka ny fahavaratra. Efa manomboka mihena ny orana amin'io, ka izay no nahatonga io fiantsoana azy io. Amin'ny faritra misy fizaran-taona efatra dia izy no fizaran-taona fahatelo, manarakaraka ny fahavaratra sady dimbiasan'ny ririnina. Mihamena na manomboka mihintsana na mihamaina ny ravin-kazo na ny ahitra sasany. Miomana hilevina ireo biby mpilevina ririnina. Manangona ny vokatry ny fambolena tamin'ny fahavaratra ny tantsaha. Mihafohy ny andro ary mihalava ny alina. Mihamihena ny hazavana sy ny hafanana azo avy amin'ny masoandro.
Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray dia izao: ao amin'ny ila-bolantany avaratra, dia mahafaoka ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra ny fararano ao amin'ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Marsa sy Avrily ary Mey io fizaran-taona io.
Jereo koa:
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.