Prôtida

Ny asidra amine no singa mpamorona ny prôtida

Ny prôtida, ao amin' ny biôsimia, fa indrindra amin' ny sakafo, dia ny asidra amine rehetra sy ny ôligômera ary ny pôlimera rehetra izay otrikaina tena ilaina ho an' ny vatan' olombelona: ôligôpeptida (dipeptida, tripeptida, tetrapeptida, pentapeptida, ôktapeptida, nônapeptida, dekapeptida), pôlipeptida ary prôteinina.

Izy ireo dia iray amin' ny singa fototra amin' ny tambatselan' ny vatana ary mety ho loharanon' angovo ihany koa. Amin' ny maha fandoro azy, ny prôtida dia manome hakitrok' angovo mitovy habetsaka amin' ny gliosida: 17 kJ (4 kcal) isaky ny grama; mifanohitra amin' izany kosa, ny lipida izay manome 37 kJ (9 kcal) isaky ny grama. Ny firafitry ny asidra amine no lafiny manan-danja indrindra sy mamaritra ny toetran' ny prôtida amin' ny fomba fijery ara-tsakafo.

Rojo pôlimera vita amin' ny asidra amine mifandrohy amin' ny alalan' ny fatorana peptidika ny prôtida. Mandritra ny fandevonan-kanina dia rava ao amin' ny vavony ny prôtida ka lasa rojo pôlipeptidika kely kokoa vokatry ny asan' ny asidra klôridrika sy ny prôteazy. Zava-dehibe tokoa izany amin' ny fandevonana ny asidra amine tena ilaina izay tsy azon' ny vatana foronina.

Ny prôtida dia hita indrindra ao amin' ny hena

Misy asidra amine tena ilaina sivy izay tsy maintsy alain' ny olombelona amin' ny sakafony mba hisorohana ny faharatsian-tsakafo momba ny angovo prôtidika izay mety hiteraka fahafatesana. Ireto izy ireo: ny fenilalaninina, ny valinina, ny treôninina, ny triptôfanina, ny metiôninina, ny leosinina, ny izôleosinina, ny lizionina, ary ny histidinina. Nisy ny adihevitra momba ny hoe misy asidra amine tena ilaina 8 na 9. Ny marimaritra iraisana dia toa mirona amin' ny 9 satria ny histidinina dia tsy voaforon' ny olon-dehibe. Misy asidra amine dimy azon' ny olombelona foronina ao amin' ny vatana. Ireo dimy ireo dia ny alaninina, ny asidra aspartika, ny asparazinnina, ny asidra gliotamika ary ny serinina. Misy asidra amine tena ilaina enina misy fepetra izay mety ho voafetra ny famoronana azy amin' ny toe-javatra isy tsy fahasalamana manokana, toy ny fahaterahan' ny zaza aloha loatra na ny olona voan' ny fahasahiranana katabôlika mahery vaika. Ny enina dia ny arzininina, ny sisteinina, ny glisinina, ny gliotaminina, ny prôlinina ary ny tirôzinina. Ahitana ireo prôtida ireo ny voamadinika, ny voamaina, ny voanjo, ny vihim-boa, ny hena, ny vokatra vita amin' ny ronono, ny trondro, ny atody, ny bibikely azo hanina, ary ny ahidrano.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.