Lipida

Lipida

Ny lipida dia taharo ao amin' ny zaka matavy ao amin' ny zavamananaina. Izy ireo dia môlekiola hidrôfôba na amfifila - môlekiola hidrôfôba misy sehatra hidrôfila - izay tena isan-karazany, anisan' izany ny tavy, ny savoka, ny sterôla, ny vitaminina levona anaty zaka matavy (vitaminina A, D, E ary K), ny mônôgliserida, ny digliserida, ny trigliserida, ary na ny dôsfôlipida koa. Ny fitehirizana angovo, fampitana fantarana ary miasa ho singa ara-drafitra ao amin' ny membraninan' ny sela, no asan' ny lipida. Ampiasaina amin' ny indostrian' ny kôsmetika sy sakafo, ary amin' ny nanôteknôlôjia ny lipida.

Mety hiseho amin' ny endrika vainga, toy ny savoka, na ranoka, toy ny menaka ny lipida. Ny toetra amfifilan' izy ireo dia mitarika ny môlekiolan' ny lipida sasany hivondona ho hoboka bitika (vesicule) sy lipôzôma ary misela rehefa ao amin' ny toerana misy rano. Io toetrany io no fototry ny hetsiky ny zavamananaina, ​​ahafahany mananganana firafitra biôlôjika - sela, ôrganela (na ôrganita) - voafaritry ny membranina foronna lipida indrindraindrindra. Miantoka asa biôlôjika hafa isan-karazany koa ny lipida, indrindra fa ny fampitana famantarana avy amin' ny sela (famantarana lipidika) sy fitahirizana ny angovo metabôlika amin' ny alalan' ny lipôzenezy, avoaka manokana avy eo amin' ny alalan' ny β-ôksidasiôna izany angovo izany.

Misy karazany roa izay mitana ny anjara asan' ny birikin-tsinga fototra lipida biôlôjika amin' ny ankapobeny, ny an' ny vondrona setôasila andaniny, ary ny vondrona izôprena ankilany. Amin' io fomba fijery io dia azo sokajiana ho valo izy ireo: asidra matavy, asilgliserôla, fôsfôgliserida, sfingôlipida, glikôlipida ary pôlisetida, izay vokatry ny fihizin' ny vondrona setôasila, miampy ny sterôla sy ny prenôla.

Na dia matetika ampiasaina hitovy hevitra amin' ny teny hoe tavy aza ny teny hoe lipida, dia tsy mitovy ireo teny roa ireo satria tsy ny lipida rehetra no tavy, izay mifanandrify amin' ny heviny hentitra tanteraka amin' ny trigliserida ihany. Ny lipida dia ahitana ny asidra matavy sy ny vokatra avy amin' izy ireo - anisan' izany ny mônôgliserida sy ny digliserida sy ny trigliserida ary ny fôsfôlipida - ary koa ny metabôlita izay ahitana ny sterôla, toy ny kôlesterôla.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.