Vainga

Ny vainga dia iray amin' ny toetra fototra efatra (ny hafa dia ny ranoka sy ny etona ary ny plasma). Ny môlekiola ao anaty vainga dia mifanizina ary misy angovo ara-kalaky farafaharatsiny. Ny vainga dia miavaka noho ny fananany hamafy ara-drafitra sy ny fanoherana ny hery ampiharina eo amboniny. Tsy toy ny ranoka, ny zavatra mivaingana dia tsy mikoriana haka ny endrika zavatra miaty azy, ary tsy miitatra mba hameno ny hadiry sisa toy ny entona. Ny atôma ao anaty vainga dia mifamatotra, na milahatra araka ny tsipika jeômetrika tsotra (vainga kristaly, izay ahitana koa ny metaly sy ny ranomandry tsotra), na mikorontana (vainga tsy misy endrika toy ny fitaratra mahazatra). Ny vainga dia tsy azo giazina amin' ny tsindry kely, fa ny etona kosa azo poretina amin' ny tsindry kely satria mielanelana malalaka ny môlekiola ao amin' ny etona.
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.