Lidia

I Lidia (𐤮𐤱𐤠𐤭𐤣𐤠, Śfarda; aramianina: Lydia; grika: Λυδία, Lȳdíā; Tiorka: Lidya) dia fanjakana any amin' ny tapany andrefan'i Azia Minora , tamin' ny Andron' ny Vy, tany atsinanan' i Iônia fahiny sy any andrefan' ny faritanin' i Uşland sy i Manisa ary i İzmir any Torkia ankehitriny. Ny fitenin'ny mponina ao aminy, fantatra amin'ny anarana hoe Lidiana, dia ao amin'ny sampam-piteny anatôlianina ao amin'ny fianakaviambem-piteny indô-eorôpeana.
Ny fanjakan'i Lidia dia nisy nanomboka tamin' ny taona 1200 tal. J.K. ka hatramin' ny 546 tal. J.K. Tamin'ny habeny lehibe indrindra, nandritra ny taonjato faha-7 tal. J.K, dia nandrakotra ny faritra andrefana amin' i Anatôlia manontolo. Tamin'ny 546 tal. J.K, dia lasa faritanin'ny Fanjakana Persianina Akemenida izy io, fantatra amin'ny anarana hoe satrapan'i Lidia na Sparda amin'ny fiteny persana taloha. Lasa anisan’ny Faritaniny Rômaninan' i Azia izy io tamin’ny 133 tal. J.K.
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.