Satrapa

Ny satrapa dia ny governora mifehy faritany atao hoe satrapia, ka nisolo tena mivantana ny fitondrana foibe tamin' ny fananany ny fahefan' ny mpanjaka na ny emperora, tao amin' ny Empira Persiana izay mbola nitohy tamin' ny Fanjakan' i Makedônia ary ny Empira Seleokida. Ny satrapia izany dia faritany fehezin' ny satrapa, izay nomen' ny mpanjaka na ny emperora fahefana hitantana ny ny fandraharahana sy ny fitsarana ary ny tafika.

Avy amin' ny teny grika hoe σατράπης / satrápês, avy amin' ny teny iraniana hoe kshathrapâ, avy amin' ny teny persiana hoe kshathrapâvan ny teny hoe satrapa izay midika hoe "mpiaro ny fanjakana".

I Kirôsy Lehibe no namorona ny satrapia tamin' ny taonjato faha-4 tal. J.K., ka ny zava-kendrena aminy dia ny hampisy firaisana eo amin' ny lafiny fitantantanana ny raharaham-panjakana ao amin' ny faritra voababon' ny Persiana. Ao amin' ny satrapia tsirairay dia ahitana satrapa izay misolo ny fahefana ambony amin' ny fitsarana. Adidin' ny satrapa koa ny manangona ny hetra sy miantoka ny filaminana amin' ny alalan' ny fikarakarany tafika maharitra. Voafetra ny fahefan' ny satrapa. Izany no nahatonga an' i Dariôsy I Lehibe nizara ny faritry ny fanjakany ho satrapia miisa 20. Ny satrapa no "maso sy sofin' ny mpanjaka". Tamin' ny andron' ny Grika dia tsy nanjavona ny satrapia na dia voafetra aza ny velaran-tany nomena azy. Noferan' i Aleksandra Lehibe ny fahefan' ny satrapa tamin' ny nanesorany amin' izy ireo ny fahefana ara-tafika.  

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.