Bilady

Ny Bilady, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahefatra, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin' ny folo, izay apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana fahefatra avy ankavanana ao amin' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Bilady., izay ilazana ny tany na ny toeram-ponenana.

Fanasokajiana

Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Bilady, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany dia ny Tale sy ny Maly ary ny Fahatelo, ary ny hafa manarakarala azy dia ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (ny Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.

Fahazoana ny tsanganana Bilady

Aorian' ny fahazoana ny Fahatelo no ahazoana ny Bilady: manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan' ny lohan'ny Fahatelo mba hamoronany ny lohan' ny Bilady. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran' ny Fahatelo izay apetrany eo ambanin' ny lohany. Ampiharina fanintelony amin' ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany izany dia azo ny tongotry ny Bilady.

Fanakambanana ny Bilady amin' ny tsanganana hafa

Ny fanakambanana ny lohan' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahateloary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana ny soratry ny Tale sy ny an' ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Hevitry ny hoe Bilady

Fiforonan-teny

Avy amin' ny teny arabo hoe بلاد / balad (tokana) sy بلاد / bilād (maro), izay midika hoe "tanàna" na "faritra" na "tany" na "firenena", ny hoe Bilady. Hita ao amin' ny andian-teny hoe بلاد الشام / Bilad el-Sham (vakina hoe bilad ush-Sham, izay midika hoe "tany any avaratra", maniondro an' i Siria sy i Libàna), na ao amin' ny hoe بلاد الرافدين / bilād ar-rāfidayn (izay midika hoe "firenen' ny ony roa", Tigrisy na Tigra sy Eofrata), na ao amin' ny hoe بلاد السودان / bilād as-sūdān (midika hoe "tanin' ny mainty", fiavian' ny anaran' i Sodàna), sy ny maro hafa.

Fanakarana ny hevitry ny Bilady

Ny Bilady dia anarana iantsoana ny tany na ny toeram-ponenana, amin' ny sikidy malagasy. Ny fanakarana ny hevitry ny sora-tsikidy asehony no manambara ny mombamomba izany tany na tioeram-ponenana sns izany. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Bilady: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Ny Bilady dia mety hiseho ao amin' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Jereo koa

Tahirin-kevitra azo anovozana

Boky

  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.