Abily
Ny Abily, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahenina, iray amin' ny tsanganan-tsikidy apetraka any amin' ny farany ambony. Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Abily. Matetika izy io no tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain' ny mpisikidy efa za-draharaha fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Abily dia anarana iantsoana ny reny na ny vehivavy antitra.
Fanasokajiana
Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy. Ny tsanganan-tsikidy eo alohany dia ny Fianahana, fa ny manarakaraka azy dia ny Alisay sy ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (ny Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.
Fomba fahazoana ny Abily
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Abily: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny Fianahana no ahazoana ny Abily: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny tratran' ny Tale no lohany, ny tratran' ny Maly no tratrany, ny tratran' ny Fahatelo no vaniany ary ny tratran' ny Bilady no tongony.
Fampifanampiana ny soratry ny Abily
Ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny an' ny Abily no ahazoana ny soratry ny Haja (tsanganana faha-11).
Hevitry ny hoe Abily
Ny Abily dia anarana iantsoana ny reny na ny eritreri-dratsy na ny vehivavy antitra, amin' ny sikidy malagasy. Ny fanakarana ny hevitry ny soratry ny Abily no ahalalana ny mombamomba ilay atao hoe "reny" na "vehivavy antitra" na "eritreri-dratsy". Ny Abily dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.
Jereo koa
- Tsanganan-tsikidy: Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba)
Tahirin-kevitra azo anovozana
Boky
- Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
- Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
- Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
- Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
- Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
- Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
- Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.
Rohy ivelany
- La divination sikidy à Madagascar Archived Janoary 30, 2020 at the Wayback Machine ()
- "Sikidy", Anthropomada.com
- Skinner, Stephen (1980-01-01). Terrestrial astrology: Divination by geomancy (PDF) (1st ed.). London ; Boston: Routledge & Kegan Paul.
- "Ny sikidy (PDF)", madarevues.recherches.gov.mg
- Jean François Rabedimy sy Etienne Razafindehibe, Cours N°1 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°2 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°3 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°4 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- J. F. Rabedimy, "Pratique de divination à Madagascar (PDF)" Archived Mey 18, 2024 at the Wayback Machine, madadoc.irenala.edu.mg
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.