Volamena

Volamena

Ny volamena dia singa simika mitondra ny eva Au (avy amin' ny teny latina hoe Aurum). 79 ny laharana atômikany. Mavomena mamiratra ny lokony, mavesatra izy, azo tefena ho manify araka izay azo atao. Metaly fanaovam-piravaka sarobidy ny volamena. Izy koa no fototry ny sandam-bola miasa eran-tany. Misy karazany roa ny volamena, dia ny volamena maitso sy ny volamena mena. Teo amin' ny tantara dia ny volamena no metaly sarobidy indrindra. Lazaina ho tsy mety simba sady metaly manan-kaja izy satria tsy dia andairan' ny asidra na ny harefesina.

Singa tsy fahita firy ao amin' ny nofon-tany ny volamena. Mety ho hita amin' ny endrika mivaingana na vovoka anaty fasika na anaty vangongom-poti-bato manamorona ny renirano sy korian-drano madinika ity metaly ity. Matetika no hita miaraka amin' ny akoram-bolafotsy, amin' ny akoram-barahina, amin' ny akoram-by ary amin' ny akoram-platinina ny volamena metaly miseho amin' ny endriny madio indrindra.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 dia lasa sanda fototra eo amin' ny fifanakalozana ara-bola iraisam-pirenena ny volamena. Manodidina ny antsasany amin' ny volamena rehetra eran' izao tontolo izao no tahirizina ao amin' ny vata fitehirizam-bolan' ny banky amin' ny endrika anjam-bolamena. Amin' ny raharaham-barotra, ny ampahany betsaka amin' ny volamena vokarina dia ampiasaina amin' ny fanamboarana firavaka. Ankoatra izany, ny volamena dia ampiasaina amin' ny endrika takelaka manify ao amin' ny zavakanto fanaovana ankoso-bolamena. Ampiasaina matetika amin' ny teknôlôjia avo lenta ny volamena satria tsy azo ovain-toetra izy ary mpampita aratra tsara. Ampiasaina indrindra amin' ny fampifandraisana bitika amin' ny sehatry ny elektrônika koa ny volamena.

Eo amin' ny kolontsaina

Ohabolana malagasy

  • Volamena latsaka am-bovoka: tsy avelan' ny soa tsy hihiratra.
  • Ny herana aman-jozoro dia maniry amin' ny tany, ary ny volamena sy ny volafotsy dia tsy latsaka avy any an-danitra.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.