Voahangy Lafo Vidy

Ny Voahangy Lafo Vidy dia iray amin' ny boky masin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Adro Farany manampy ny Baiboly sy ny Bokin'i Môrmôna ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nivoaka tamin'ny taona 1851 ny fanontana voalohany sady ahitana lahatsoratra voarakitra ankehitriny ao amin' ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Atao hoe Pearl of Great Price izy amin' ny teny anglisy.

Ny fanontana nanomboka tamin' ny taona 1902 dia ahitana fizaràna dimy:

  • ahitana ampahan-dahatsoratra avy amin' ny Fandikan' i Joseph Smith ny Bokin' ny Genesisy, ka nomeny ny lohateny hoe Bokin' i Mosesy;
  • ahitana ampahan-dahatsoratra avy amin' io fandikan-teny ny Baiboly io, araka ny Filazantsaran' i Matio mitondra ny anarana hoe Joseph Smith–Matio;
  • fandikan-teny ny papiry ejipsiana nataon' i Joseph Smith azony tamin' ny taona 1835 ka mitondra ny lohateny hoe Bokin' i Abrahama;
  • ampahan-dahatsoratra avy ao amin' ny tantaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany nosoratan' i Joseph Smith tamin' ny taona 1833, atao hoe Joseph Smith–Tantara.
  • ireo Fanekem-pinoana, izay fanambaràm-pinoana sy fampianarana nosoratan' i Joseph Smith.

Ny anaran'io boky io dia nalaina avy ao amin' ny Testamenta Vaovao izay mampitaha ny Fanjakan' ny Lanitra amin' ny "voahangy lafo vidy" araka ny Filazantsaran' i Matio (Mat. 13.45-46).

Jereo koa:

Famakiana fanampiny

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.