Tsimparifary

Tsimparifary Echinochloa

Ny tsimparifary dia ahitra isan-karazany izay matetika miara-maniry amin' ny vary. Misy karazany maro ny ahitra atao amin' ny teny malagasy hoe "tsimparifary", dia ireo ao amin' ny vondron-karazana Echinochloa, Megathyrsus, Panicum ary Sacciolepis izay samy ao amin' ny fianakavian-javamaniry Poaceae. Tsy inona izany fa ny Echinochloa stagnina, ny Echinochloa crus-galli, ny Echinochloa pyramidalis, ny ny Megathyrsus maximus (na Panicum maximum teo aloha) ary ny Sacciolepis africana.

Ireto ny anarana ahalalana azy ireo amin' ny teny malagasy: ahibary, ahibava, ahidrano, ahilava, famoa, fantaka, farimanga, karanga, osaosa, sarivary, songolo, tsimparifarifotsy, tsimparifarimanga, tsimparifarimanja, tsimparifarimena, tsimparifary, tsiparifary, veromena, verotsanga.

Fiforonan-teny

Araka ny hevitr' i Ottino, ny teny hoe tsimparifary dia avy amin' ny teny dravidiana ilazana ny vary sy ny momba azy, izay niavian' ny teny maaniany any Bôrneô hoe parei, ny teny javaney hoe pari, ny teny daiàka hoe parey ary ny teny bisaia any Filipina hoe palaï. Ny teny hoe tsimparifary izany dia midika hoe "sahala amin' ny vary". Tsy avy amin' ny teny malagasy hoe fary izany io teny io[1].

Ny zavamaniry atao amin' ny teny malagasy hoe tsimparifary

Ny Echinochloa

Voan' ny Echinochloa stagnina

Amin' ny faritra manana toetanin-jana-pahin-tany sy antonony mafana no misy ity vondron-karazan-javamaniry ity (Echinochloa). Misy karazany 30 hatramin' ny 40. Maniry isan-taona na mandavan-taona, arakaraka ny karazany. Mitsangana na miondika ny fanirin' ny tahony izay mety mahatratra 3,6 m.

Ireto ny karazana misy eto Madagasikara:

  • Echinochloa stagnina (Retz.) P. Beauv. (Poaceae) (atao amin' ny teny malagasy hoe ahibary, ahidrano, farimanga, karanga, tsimparifarimanga, tsimparifarimena, ary tsimparifary);
  • Echinochloa crus-galli (L.) P. Beauv. Poaceae) (atao amin' ny teny malagasy hoe ahibary, ahidrano, karanga, osaosa, tsimparifarifotsy, ary tsimparifary);
  • Echinochloa pyramidalis (Lam.) Hitchc. & Chase (Poaceae) (atao amin' ny teny malagasy hoe ahibava, ahidrano, ahilava, karanga, sarivary, songolo, tsimparifarimanja, ary tsimparifary).

Ny Megathyrsus

Panicum maximum

Vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae, teratany aty Afrika atsimon' i Sahara sy ny Saikinosy Arabo, izay misy karazany roa, ny Megathyrsus. Ity no karazana fantatra indrindra eto Madagasikara:

  • Megathyrsus maximus (Jacq.) B.K.Simon & S.W.L.Jacobs, 2003 (atao amin' ny teny malagasy hoe famoa, fantaka, tsimparefare, tsimparifary, tsiparefare, veromena, ary verotsanga);

Ny Sacciolepis

Sacciolepis indica

Vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakavian' ny Poaceae, maniry amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany sy toetany antonony mafana, indrindra aty Afrika, ny Sacciolepis. Misy karazana miisa 25 izy ireo.

  • Ny Sacciolepis africana C.E., izay atao amin' ny teny malagasy hoe tsimparifary na tsiparifary, karazany fantatra indrindra eto Madagasikara.

Kolontsaina

Hainteny

"Na hikambana sy hiray ka hivady aza isika,

Tsy hataon' ny olona toy ny tsimparifary sy ny ketsa,

ka mifankatia vao sarahiny?"

Tsimparifary ao amin' ny Baiboly

Lolium temulentum

Ao amin' ny Evanjely araka an' i Matio (Mat 13:24-30) dia misy fanoharana momba ny ahi-dratsy iray izay nadika ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy hoe tsimparifary koa[2], ao amin' ny lahatsoratra misy fanoharana ny amin' ny mpamafy korontana sy fisamatsamahana. Ny teny nadika hoe "tsimparifary" dia ζιζάνια / zizania (raha maro) na ζιζάνιον / zizanion. Io teny io dia heverina ho manondro ny zavamaniry Lolium temulentum, ahitra izay mitovitovy amin' ny varimbazaha amin' ny fiandohan' ny fitomboany. Noho izany dia tsy anisan' ny Echinochloa na ny Panicum na ny Sacciolepis io zavamaniry io.

Izao ilay lahatsoratra:

24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan' ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny; 25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin' ny vary, dia lasa nandeha. 26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary. 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy: 28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy 29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary. 30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin' ny fararano; ary amin' ny fararano dia holazaiko amin' ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. (Mat 13:24-30, Ny Baiboly)

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

  1. Paul Ottino, in Annuaire de Pays de l'Océan Indien 2 : 105, 1977, Aix-en-Provence,
  2. "Fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin' ny vary, dia lasa nandeha", Mat 13.25, Ny Baiboly

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.