Sorona

Ny sorona dia fomba ara-pivavahana tanterahina amin' ny alalan' ny fanolorana fanatitra voatokana ho an' ny andriamanitra na ny fanahy hafa, hanomezana haja na ho enti-mifona na mangata-pitahiana amin' izy ireo, mba hanombohana na hampaharetana na hamerenana indray ny fifamatorana masina eo amin' ny olombelona sy izy ireo. Ny fanatitra atao hanatanterahana ny sorona dia mety ho olona na biby na voankazo na voninkazo na zavatra hafa toy ny divay, sns.
Efa hita hatramin' ny Hebreo sy Grika fahiny ny porofo momba ny fanaovana sorona biby, ary angamba efa nisy talohan' izay. Ny fanaovana sorona olombelona dia hita ihany koa tany amin' ny sivilizasiôna prekôlômbiana tany Mesôamerika ary koa tao amin' ny sivilizasiôna eorôpeana. Fivavahana maro amin' izao andro izao no manao sorona ara-pombafomba tsy amonoana olona.
Ny sorona (indrindra fa ny fanaovana sorona andatsahan-dra) dia fombafomba ataon' ny olona saika manerana izao tontolo izao izay mamatotra ny olona: "mametraka fihavanana mihoatra noho ny fandatsahan-dra voajanahary tamin' ny fiterahana." Anisan' ny teboka hafa, i Korte dia mampifandray ny ran-tsorona sy ny ra mifandray amin' ny fahavokarana.
Sorona eo amin' ny fomban-drazana malagasy
Amin' ny finoan-drazana malagasy dia ny mpisorona na ny mpitan-kazomanga no mitarika ny fanaovana sorona, izay atrehin' ny sokajin' olona voakasika na ny olona rehetra arakaraka ny zavatra mitranga. Matetika dia ny famonoana omby atao sorona no fomba anehoana ny fanajana ny Zanahary sy ny razana na ampitsaharana ny fahatezeran' izy ireo.
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.