Sindh

Faritanin' i Sindh any Pakistàna

I Sindh na Sind dia faritra ara-tantara sady faritany ao Pakistàna. Any amin' ny faritra atsimo indrindra amin' ity firenena ity no misy azy, voahodidin' i Balotsistàna any andrefana sy any avaratra, i Punjab any avaratra, i Rajasthan Indiana any atsinanana ary farany i Gujarat sy i Rann an' i Kutch any atsimo. Manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasin' i Arabia any atsimo-andrefana koa i Sindh.

I Sindh no faritany fahatelo lehibe indrindra ao Pakistàna, izay mirefy 140.915 km2. Ny isan' ny mponina ao aminy dia 48 tapitrisa tamin' ny taona 2017, ary ny antsasak' izany dia monina an-tanàn-dehibe. Io no faritany faharoa be mponina indrindra, izay ahitana ny ampahefatry ny mponina ao amin' ilay firenena. Ny renivohiny dia i Karachi, tanàna lehibe ao Pakistàna ary renivohitry ny firenena teo aloha. Manana anjara toeana ara-toekarena lehibe ity faritany ity ary manana ny fiantraikany lehibe eo amin' ny kolontsaina sy ny tantaran' i Pakistàna.


Ny lohasaha ivan' ny ony Sindo (na Indosy) dia mamakivaky an' i Sindh, izay feran' ny Taniefitr' i Thar ao atsinanana, any India. Ny tena vokatra any dia ny landihazo, ny varimbazaha, ny fary ary indrindra ny vary. Mamboly zavamaniry fihinam-boa isan-karazany koa ny ao, toy ny akondro sy manga. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ ny toekarena ihany koa ny fambolena, ka mahazo tombony amin’ ny fisian' ny tambajotram-pitarihan-drano lehibe. Misy ihany koa ny indostria lehibe, indrindra fa ny fanenoman-damba, indrindra any Karachi, izay seranan-tsambo lehibe fanondranana entana ao amin' ilay firenena ihany koa.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.