Rayhana bint Zayd

Ny anaran' i Rayhana bint Zayd

I Rayhana bint Zayd dia vehivavy jiosy, izay mpanompon' i Mohamady lasa vadiny araka ny mpahay tantara sasany. Avy amin' ny fokom-pirenena Banu Nadir izy. Manaja azy ny Mozilmana izay mihevitra azy ho anisan' ny Ummahaatu'l-Mu'minin (izany hoe "Renin' ny Mpino"). Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe ريحانة بنت زيد / Rayḥāna bint Zayd. Maty tamin' ny taona 631 izy.

Anisan' ny fokom-pirenana Banu Nadir tany am-boalohany i Rayhana bint Zayd. Nanambady an' i Abdulhakem, lehilahy avy amin' ny foko Banu Qurayza izy taloha. Nandresy ny tafiky ny Banu Qurayza i Mohamady tamin' ny taona 627. Nampamonoiny ny lehilahy ary nogadrainy ny vehivavy sy ny ankizy.

Araka ny voalazan' i Ibn Ishaq dia nifidy an' i Rayhana ho andevony (jarya) i Mohamady ary nangataka ny hanambady azy. Tsy nanaiky i Rayhana sady nifikitra tamin' ny jodaisma. Rehefa afaka kelikely anefa dia nanapa-kevitra ny hivadika ho mozilmana izy. Nanafaka azy tsy ho andevo sy afaka nanambady azy amin' izay i Mohamady.

Nanoratra i Ibn Sa'd, mitatitra izay voalazan' i Waqidi, fa nafahana i Rayhana ary nanambady an' i Mohamady. Araka ny voalazan' i Al-Halabi dia nanambady azy i Mohamady ary nanome azy vodiondry. I Ibn Hajar dia mampahatsiahy filazalazana avy amin' ny Tantaran' i Medina nosoratan' i Muhammad Ibn al-Hassam momba ny trano izay namponenan' i Mohamady an' i Rayhana taorian' ny fanambadian' izy ireo.

Amin' ny loharano hafa, dia manoratra i Hafiz Ibn Minda fa nanafaka an' i Rayhana i Mohamady ary namerina azy hiara-mipetraka amin' ny mpiray foko aminy. Ity fitantarana hafa ity dia notohanan' ny manam-pahaizana mozilmana Shibli Nomani tamin' ny taonjato faha-19.

Tahaka an' i Mariyah al-Qibtiyya, izay andevovaviny koa, dia tsy fantatra mazava raha nijanona ho andevo na lasa vaditsindrano na vady ara-dalànan' i Mohamady i Rayhana bint Zayd.

Na izany aza, ny filazana ekena indrindra eo amin' ny Mozilmana dia ny nanafahana sy ny nanambadian' ilay mpaminany azy.

Maty tanora tamin' ny taona 631 i Rayhana bint Zayd, ary nalevina tao amin' ny fasan' i al-Baqīʿ.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.