Railovy

Ny railovy na drongo dia karazam-boronkely ao amin' ny fianakaviana Dicruridae, ao amin' ny filaharana Passeriformes. Dicrurus forficatus ny anarany ara-tsiansa. Mainty misy mamirapiratra maitso manga ny lokon' ny volony, manana sanga mifaingoka eo amin' ny handriny ary misy rambony misaraka roa.
Anarany
Indreto ny anarany amin' ny teny malagasy: andovy, drongo, leidorongo, love, raidonga, railomba, railombo, railonga, relonga, relove ary tsaramaso.
Fonenany
Ny ala an-tany iva trôpikaly sy sobtrôpikaly, sady maina no mando, ary tany hivoka malalaka no fonenana tieny. Vorona fahita matetika izy io ary nosoritan' ny IUCN ho "tsy mampanahy".
Taksinômia

Tamin' ny taona 1760, ilay zôôlôjista frantsay Mathurin Jacques Brisson dia nampiditra ny filazalazana momba ny railovy na drongo tao amin' ny boky Ornithologie nosoratany araka ny santionany nangonina teto Madagasikara. Nampiasa ny anarana frantsay hoe Le grand gobe-mouche noir hupé de Madagascar sy ny anarana latina hoe Muscicapa Madagascariensis nigra major cristata izy. Na dia namorona anarana latinina aza i Brisson, dia tsy mifanaraka amin' ny rafitra binômialy izy ireo ary tsy neken' ny International Commission on Zoological Nomenclature izany. Rehefa nanavao ny Systema Naturae tamin' ny taona 1766 i Carl von Linné, mpahay zavaboary soedoà, ho an' ny fanontana faharoa ambin' ny folo, dia nanampy karazana 240 izay nofaritan' i Brisson teo aloha. Ny iray tamin' izy ireo dia ny railovy. I Linné dia nanao famariparitana fohy, namorona ny anarana binômialy hoe Lanius forficatus ary nanonona ny asan' i Brisson. Ny anaran-karazana manokana hoe forficatus dia teny neô-latina midika hoe "miendrika hety". Ity karazana ity dia napetraka ao amin' ny vondron-karazana Dicrurus izay nampidirin' ny ôrnitôlôjista frantsay Louis Pierre Vieillot tamin' ny taona 1816.
Zana-karazana
Misy zana-karazana roa izy io:
- ny Dicrurus forficatus forficatus izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara
- ny Dicrurus forficatus potior, izay lehibe kokoa, hita any amin' ny Vondro-nosy Kômôro.
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.