Rafalimanana Florimond

Pastora Rafalimanana Florimond Deyris, dia isan'ireo mpamoron-kira andrareziny amin'iny faritra Atsimo Atsinananan'i Madagasikara, raha ny eo amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy no lazaina. Izy dia nanana fototra (background) momba ny hira mirona amin'ny ban-kira afrikana: nisy fotoana lava nihainoany ireo hira avy ao Afrika Atsimo, toy an'ny Black Mambazo. Ny taona 2009-2011 dia mandranto fianarana any Afrika Atsinanana izy, ary dia mbola manatevina ny fototra momba ny hira efa nananany. Tia miara-miasa amin'olon-kafa izy mba hampivoatra ny talenta ananany. Isan'ireo mpiara-miasa aminy akaiky ny tarika Mpitohazara, ny Vakomasy, Fanalolahy, ny A.SE.Va, ny K.T.L.M Fiadanana Andranofasika Manakara, ny FSLFM Andranofasika Manakara, ny TAFAKRI Vohipeno, ny Akon'ny Fanasina Ambohitsara 1 Vohipeno, ny G.B.S Vohipeno sns. Ankoatr'ireo dia miara-miasa aminy manoka koa ny rahalahiny Rafalimanana Rufin Angelo sy i Tata Georges Bien-Aimé, amin'ny fandrindrana feo sy zava-maneno. Miezaka hatrany koa ny Pastora Rafaliamanana Florimond Deyris ny mampahafantatra ireo zava-misy ao amin'ny Synodam-Paritany Manakara, mba hahafahan'izy liana hahalala bebe kokoa ny mahakasika iny synodam-paritany iny.

Jereo koa:

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.