Preterisma
Ny preterisma dia foto-pampianarana momba ny eskatôlôjia prôtestanta izay manao fivoasana ny faminaniana ao amin' ny Baiboly ho manambara zavatra efa nitranga tamin' ny fotoana lasa. Misy karazany roa ny preterisma, dia ny preterisma feno (izay mihatra amin' ny faminaniana rehetra) sy ny preterisma ampahany (izay tsy mahakasika afa-tsy ny ankamaroan' ny faminaniana).
Ny fampiharana tsy misy fepetra ny preterisma tranainy indrindra dia tamin' ny asan' i Gioacchino da Fiore (frantsay: Joachim de Flore, maty tamin' ny taona 1202) tao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Expositio in Apocalypsim. Araka ny tantara dia nifamatotra tamin' ny firehana tsy nanaraka ny fampianarana ôfisialin' ny Fiangonana katôlika izany, avy eo tao amin' ny prôtestantisma izay nampiasa azy amin' ny fiheverana ny fitondran' ny papa ho asan' ny Devoly (ampitovîna amin' ilay vehivavy janga lehibe ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany), indrindra nanomboka tamin' i Jan Hus (frantsay: Jean Huss) sy Martin Lotera. Taty aoriana dia noraisin' ny mpanoratra katôlika sasany toa an' i Jacques-Bénigne Bossuet izany fomba fiasa izany, teo amin' ny sehatry ny fifandirana amin' ny prôtestantisma.
Amin' ny fomba fiasa preterista dia manambara zavatra efa niseho tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. ny Bokin' i Daniela. Toraka izany koa ilay "Toriteny teo an-Tendrombohitra Oliva" sy ireo andalana apôkaliptilka ao amin' ny bokin' ny Testamenta Vaovao, isan' izany ny Apôkalipsin' i Joany, izay mahakasika ny fandravana an' i Jerosalema nandritra ny ady voalohany nifanaovan' ny Jiosy sy ny Rômana ary ny fandravana ny Tempoly tamin' ny taona 70 taor. J.K.: tamin' io ilay Fandravana Lehibe nambara mialoha. Noho izany, ny "andro farany" nambaran' i Jesoa Kristy dia tsy any amin' ny fotoana hoavy: noheverina ho fiafaran' ny Fanekem-pihavanana taloha sy fahatongavan' ny Fanekem-pihavanana vaovao izany.
Amin' ny fiheverana fa ilay Toriteny teo amin' ny Tendrombohitra Oliva dia midika fa manamarika ny fahatanterahan' ny jodaisma ny kristianisma, ao amin' ny firehan' ny teôlôjian' ny fanoloana ny preterisma.
Amin' ny sehatry ny fanaovana famakafakana ny Baiboly, ny fivoasana mampiasa sy preterisma dia afaka manampy amin' ny famantarana ny daty nanoratana ny lahatsoratra sasany. Izany no mitranga momba ny Toriteny teo amin' ny Tendromboohitra Oliva ao amin' ny fitantarana omen' ny Vaovao Mahafaly araka an' i Marka.
Jereo koa
Fomba fiasa sy foto-pampianarana momba ny faminaniana
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.