Pinyin

Ny Pinyin (Sinoa 拼音), dia fandikana amin'ny abidy latina an'ny fiteny sinoa any amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina, ary io no tena ampiasaina amin'ny fandikana amin'ny abidy latina an'ny fiteny mandarina ; ny sinoa any Taiwan dia mampiasa ny fandikana Wade-Giles, fomba fandikana hafa nisy talohan'ny Pinyin, fa mbola ampiasain'ny sinoa any ivelan'i Sina matetika.

Ankehitriny, ny Pinyin dia manomboka manan-danja any ivelan'i Sina, indrindra ao anatin'ny fikambanana sinoa any Hong Kong, any Macao any Malezia, nay Singapaoro, ary anaty faritra vitsivitsy any Taiwan (Repoblikan'i Sina). Io no ampiasiana rehefa mianatra teny sinoa any Eoropa. Io fomba fanoratana io koa no ampiasaina rehefa manono ny anarana sinao na famoaham-boky any ivelany, ary io koa no afahana mampiditra sinôgrama anaty findray na anaty milina.

Ny fandikana amin'ny abidy latina dia voaforon'ny kaomity ny Repoblika entim-bahoakan' Sina (PRC) ary neken'ny governemante sinoa tamin'y 11 Febroary 1958. Ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny stantardisation dia naka ny Pinyin ho standara iraisam-pirenena tami'nny 1982, ary hatr'izay izy efa ampiasain'ny fikambanana maromaro. Io fomba fandikana amin'ny abidy latina io dia lasa standaran'ny RES (PRC) tamin'ny 1 Janoary 2009

Fanolorana

Ny fandikana pinyin dia romanizasiôna (fandikana amin'ny abidy latina) ammpiasaina any Sina. Any Taiwan, ampiasaina ny fandikana Bopomofo (ho an'ny boky fianarana teny sinoa indrindra indrindra na koa ampiasain'ny finday tsotsotra) na zhuyin fuhao, ny bopomofo dia manana abidy ho azy manokana avy amin'ny fanononan'ny sinôgrama nenindrazana. Ampiasaina ihany koa ny Wade-Giles ho an'ny anaran-toerana soratana amin'ny teny latina, ara-drafipeo kokoa nohon'ny Pinyin. Ny olana tena mipetraka amin'ireo fomba fandikana amin'ny abidy latina dia izy tsy manonona ny alôfôna (allophone), izany hoe, ny feo hafa mety avoakan'ny literan-janapeo iray ; satria, tahaka ny amin'ny teny anglisy, ny fiteny mandarina dia teny manana zanapeo maromaro, kanefa dimy monja ny zanapeo azo soratana. Noho izany dia mety samihafa ny feo avoakan'ny literan-janapeo iray anaty fehezanteny iray.

Ny rafi-peo

Feo mitomboka

[p]
b
[pʰ]
p
[t]
d
[tʰ]
t
[k]
g
[kʰ]
k
[m]
m
[n]
n
[ts]
z
[tsʰ]
c
[tʂ]
zh
[tʂʰ]
ch
[tɕ]
j
[tɕʰ]
q
[f]
f
[s]
s
[ʂ]
sh
[ʐ] *
r
[ɕ]
x
[x]
h
[ɻ] *
r
[l]
l

Lahatsoratra ilaina

Tsiahy

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.