Patmôsy

I Patmôsy na Patmo dia nosin' i Gresy ao amin' ny Ranomasina Egea ao amin' ny ilany avaratry ny tangoro-nosin' i Dôdekanesa (grika: Δωδεκάνησα / Dōdekánēsa). I Patmôsy dia hita ao akaikin' ny morontsiraka tiorka, ao atsimon' ny nosy Samôsy. Manana velarana 34 km2, ary misy mponina 2 400 eo ho eo tamin' ny taona 1991. Atao hoe Πάτμος / Patmos izy amin' ny teny grika.
Jeôgrafia
Ity nosy kely karankaina ity dia miendrika tsinam-bolana sady manana nofon-tany volkanika. Ny voaloboka sy ny voatabia ary ny varimbazaha no tena fambolin' ny olona ao. Ny tanàna lehibe indrindra ao dia i Patmôsy ao amin' ny ilany atsimo atsinanan' ilay nosy.
Kolontsaina
Manerinerina ao amin' io tanàna io ny Mônasteran' i Masindahy Joany Teôlôjiana (grika ankehitriny: Μονή Αγίου Ιωάννου του Θεολόγου / Moní Ayíou Ioánnou tou Theológou), izay naorin' i Masindahy Kristôdôlôsy (grika: Όσιος Χριστόδουλος) tamin' ny taona 1088 noho ny fanampian' ny emperora Aleksiôsy I Kômnenôsy (grika: Ἀλέξιος Αʹ Κομνηνός).
Mbola ahitana fanangonana asa soratra misy tamin' ny taonjato faha-5 ny ao amin' io nosy io, ahitana sary hosodoko koa ao. Ny tanànan' i Venitia (Italia) no nanapaka io nosy io, avy eo ny Tiorka, avy eo i Italia ary farany ny Grika nanomboka tamin' ny taona 1947.

Tantara

Araka ny lovantsofina kristiana, izay mbola iandian' ny mpahay tantara hevitra mandraka androany, dia tao amin' ny nosy Patmôsy no nanoratan' i Joany ny Bokin' ny Apôkalipsy na Apôkalipsa, tao amin' ny zohy eo ampoto-tendronbohitra, ilay ahitana ny mônastera ankehitriny. Maro ankehitriny ny olona mitsidika sy manao fivahiniana masina ao amin' io zohy io izay nanjary lasapely amin' izao fotoana izao.
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.