Panenteisma
Ny panenteisma dia fampianarana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana izay ilazana an' Andriamanitra ho sady maninteraka ny faritry ny natiora rehetra no sady mihoatra azy na ara-potoana na ara-toerana. Ny panenteisma dia mihevitra an' izao tontolo izao sy Andriamanitra ho zavatra mitovy raha eo amin' ny lafiny fisiana. Tsy mpamorona na demiorga Andriamanitra fa hery mandrakizay manetsika an' izao tontolo izao endrik' Andriamanitra hita maso. Ao anatin' Andriamanitra izao rehetra izao ary Andriamanitra dia miely eran' ny faritra tsirairay amin' izao rehetra izao[1]. Lehibe noho izao tontolo izao Andriamanitra ary izao tonto izao dia ao anatiny[1]. Andriamanitra dia sady hery manetsika an' izao tontolo izao no vokatr' izany koa[1].
Fiforonan-teny
Ny teny hoe penenteisma dia fanagasiana ny teny vahiny vokatry ny fanambarana ny teny grika hoe πᾶν / pân "manontolo, tontolo" sy ἐν /en "anaty" ary θεός / theós "andriamanitra". Ara-bakiteny dia midika hoe "ao amin' Andriamanitra ny zava-drehetra". Ilay filôzôfa alemàna Karl Christian Friedrich Krause no namorona izany teny izany tamin' ny taona 1828 nanoratany ny boky mitondra ny lohateny hoe Vorlesungen über das System der Philosophie. Fiheverana eo anelanelan' ny panteisma sy ny teisma ny panenteisma.
Fifangaroan' ny panenteisma sy ny panteisma
Sarotra avahana amin' ny panenteisma ny panteisma izay fiheverana fa ao amin' izao tontolo izao manontolo Andriamanitra fa tsy any ivelany na mihoatra azy[2] [1]. Ka noho izany dia heverina ho manana endrika panenteista sy/na panteista ny fivavahana sy ny filôzôfia hindoa sy ny fiheveran'ny filôzôfa sy ny teôlôjiana sasany an' Andriamanitra toa an' i Plôtino sy Giordano Bruno sy i Spinoza.
Jereo koa
Loharano
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.