Nefilima

Ny Nefilima dia karazan' olona voalaza ao amin' ny Baiboly, vokatry ny firaisan' ny "zanak' Andriamanitra" tamin' ny zanakavavin' ny olombelona. Ny rain' ny Nefilima dia hevirin' ny maro fa anjely nikomy amin' Andriamanitra. Tamin' ny fisiany teto an-tany dia nitombo be ny fahotan' ny olombelona. Atao hoe הנּפלים izy ireo amin' ny teny hebreo. Taorian' io no nahatonga an' Andriamanitra handefa rano hanafotra ny tany manontolo mba handringana ny olombelona rehetra izay tsy nanoa azy sy ny ankamaroan' ny zavamananaina hafa.
Firesahana ny Nefilima ao amin' ny Baiboly
Ao amin' ny Genesisy
Ny Genesisy na Jenezy (6.1-4) dia milaza fa olo-mahery sy manan-daza izy ireo:
- "1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin' ny tany ka teraka zazavavy maro, 2 dia hitan' ny zanak' Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin' ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin' izy rehetra araka izay tiany izy. 3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin' ny olona ny Fanahiko, fa amin' ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. 4 Ny Nefilima nitoetra tambonin' ny tany tamin' izany andro izany, sy taorian' izany koa, raha nivady tamin' ny zanakavavin' ny olona ny zanak' Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza." (Gen. 6.1-4 -- Ny Baiboly).
Ao amin' ny Nomery
Ny Nomery na Fanisana (13.31-33) kosa dia manao azy ireo ho rapetonolona:
- 31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy. 32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin' ny Zanak' Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe; 33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin' ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony. (Nom. 13.31-33 -- Ny Baiboly).
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.