Morus

Ny Morus dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Moraceae, teratany any amin' ny faritra manana toetany antonony sy sobtrôpikaly any Azia, any Eorôpa, aty Afrika ary any Amerika, izay ahitana karazana 17 nekena. Izy ireo dia hazo na hazobotry mihintsan-dravina, izay mônôika na diôika. Ny karazana sasany dia ambolena hahazoana voany na ny raviny, izay atao sakafo ho an' ny bibin-dandy, na hatao haingon-trano.

Ny Morus dia tsy tokony hafangaro amin' ny Rubus, izay zavamaniry mianika ao amin' ny fianakaviana Rosaceae, izay mitovitovy endrika sy tsiro ny voany, ary matetika antsoina amin' ny anarana hoe "roy" na "voaroy" na anarana manomboka amin' ireo teny ireo noho izy ireo mitovitovy.
Lisitry ny karazana
Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny Morus araka ny The Plant List (25 Jona 2019):
- Morus alba L.
- Morus alba var. indica
- Morus alba var. latifolia na Morus multicaulis Perrottet na Morus alba var. multicaulis (Perr.) Loudon
- Morus australis Poir.
- Morus cathayana Hemsl.
- Morus celtidifolia Kunth
- Morus indica L. na Morus alba var. indica (L.) Bureau
- Morus insignis Bureau
- Morus japonica Audib.
- Morus liboensis S.S. Chang
- Morus macroura Miq.
- Morus mesozygia Stapf
- Morus mongolica (Bureau) C.K. Schneid.
- Morus nigra L.
- Morus notabilis C.K. Schneid.
- Morus rubra L.
- Morus serrata Roxb.
- Morus trilobata (S.S. Chang) Z.Y. Cao
- Morus wittiorum Hand.-Mazz.
Karazana misy eto Madagasikara
Ny karazana Morus dia tena tsy dia misy loatra eto Madagasikara. Ny karazana misy eto dia nampidirina sy ambolena, dia ireto izany:
- Morus alba L. -- hazondandy, voankazondandy, voaroihazo, vorihazo
- Morus nigra L. --
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.