Malakia

I Malakia na Malakỳ dia mpaminany israelita tamin’ ny taonjato faha-5 izay heverina, araka ny lovantsofina, fa nanoratra ny boky ao amin’ ny Baiboly izay mitondra ny anarany, dia ny Bokin' i Malakia.
I Malakia sy ny Bokin' i Malakia
Ny mpanoratra ny Bokin' i Malakia
Manao ny mpanoratra ny Bokin' i Malakia ho i Ezra (Esdrasa) na i Zerôbabela na i Nehemia ny lovantsofina sasany. Ny hafa indray mitazona an' i Malakia, izay Levita sady anisan' ireo tao amin' ny “Sinagôga Lehibe”. Ny mpikaroka amin' izao andro izao, na dia izany aza, noho ny fitovitovian' ny lohateny (ampitahao Mal. 1:1 sy Zak. 9:1 ary Zak. 12:1), dia milaza fa tsy fantatra ny anaran' ny olona nanorara ilay boky.
Ny anarana hoe Malakia
Araka ny Easton's Bible Dictionary dia mety tsy anaran-tsamirery ny hoe Malakia fa midika fotsiny hoe "mpitondra hafatr' i YHWH”[1]. Ny Septoajinta (na Septanta, izay dikan-tenin' ny Testamenta Taloha amin' ny teny grika, dia manoratra azy hoe ἐν χειρὶ ἀγγέλου αὐτοῦ / en kheiri angélou autou, izay midika ho "amin' ny alalan' ny tanan' ny irany".
Tsy miseho amin' ny toeran-kafa ao amin' ny Baiboly ny anaran' i Malakia, tsy misy ihany koa firesahana momba azy nataon' i Ezra (na Esdrasa) ary tsy miresaka mivantana ny amin' ny nanaganana indray ny Tempoly izy. Noho izany dia misalasala ny mpikaroka sasany raha nosoratana tokoa ho anaran-tsamirerin’ ilay mpaminany ny hoe mal'akhi. Marihina fa tsy manavaka ny sora-baventy (Mal'akhi) sy ny sora-madinika (mal'akhi) ny abidy hebreo. Nefa tsy misy amin’ ireo lohatenim-bokim-paminaniana ao amin’ ny Tanakh ny tsy mitondra anaran’ olona. Ny hoe mal'akhi dia midika hoe “irako” na “mpitondra hafatro”, miseho ao amin’ ny Mal. 3:1 io teny io (ampitahao amin’ ny Mal. 2:7). Io teny io anefa dia tokony ho sarotra atao anaran-tsamirery raha tsy miaraka amin’ ny tapak’ anaran’ Andriamanitra hoe Yah, izany hoe tokony ho mal’akhyah, “irak’ Andriamanitra”. Izay ataon’ ny Septoaginta hoe “amin’ ny alalan’ ny tanan’ ny irany” dia ataon’ ny Targoma (Targum) hoe “amin’ ny alalan’ ny tanan’ ny anjeliko, izay atao hoe Ezra mpanoradalàna”[2].
Ny fotoana niainan' Malakia sy niasany
Ny fotoana niainany
Tsy mitovy ny hevitry ny tsirairay raha ny amin’ ny fotoana niainan’ ny mpaminany, nefa saika ny mpikaroka rehetra no manaiky fa naminany mandritra ny vanim-potoana persiana i Malakia, sady taorian’ ny fananganana sy ny fanokanana ny Tempoly faharoa tamin’ ny 516 tal. J.K. (ampitahao Mal. 1:10; Mal. 3:1; Mal. 3:10). Niteny ny amin’ ny “governora” ny mpaminany (hebreo: pekhah, jereo: Mal. 1.8), izay mitovy amin’ ny fitenin' i Hagay sy i Nehemia (Hag. 1:1; Neh. 5:14; Neh. 12:26). Ny endriky ny fiarahamonina resahina ao amin' ny boky dia ny an’ ilay fotoan’ ny Fanavaozam-pivavahana. Tokony ho niaina sy niasa tamin’ ny fotoan-dry Ezra (Esdrasa) sy i Nehemia i Malakia. Ireo fanararaotana ratsy izay voalaza ao amin’ ny Bokin' i Malakia dia mitovy amin’ izay hitan’ i Nehemia tamin' ny fitsidihan’ i Nehemia fanindroany an' i Jerosalema tamin’ ny 432 tal. J.K. (Neh. 13:7), ka tokony hitombina ny filazana fa naminany tamin’ ny fotoan' i Nehemia i Malakia na taoriana kelin' izay[2].
Ny fotoana niasany
Ny mpanonta ny Jewish Encyclopedia tamin’ ny 1906 dia manatsoa-kevitra fa naminany taorian' i Zakaria sy i Hagay i Malakia (Mal. 1:10; 3:1; 3:10) sady mandroso hevitra fa nanambara izany faminaniany izany izy tokony ho tamin’ ny taona 420 tal. J.K., izany hoe taorian’ ny fiverenan’ i Nehemia fanindroany avy any Persia ho any Jerosalema (Neh. 13:6) na talohan’ izany, raha ampitahaina amin’ ny voalaza ao amin’ ny Bokin’ i Malakia sy amin’ ny Bokin’ i Nehemia (Mal. 2:8 amin’ ny Neh. 13:15 na Mal. 2:10-16 amin’ ny Neh. 13:23).
Jereo koa
- Mpaminany madinika: Hôsea na Ôsea - Jôela na Jôely - Amôsa na Amôsy - Ôbadia na Abdiasa - Jônà na Jônasa - Mika na Mikea - Nahoma - Habakoka - Zefania na Sôfônia - Hagay na Akjea - Zakaria - Malakia.
Loharano sy fanamarihana
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.