Mahdi

Ny Mahdi, araka ny finoana silamo, dia mpanavotra amin' ny andro farany halefan' i Allah ao anatin' ny indray alina, izay ho tonga, araka ny hadita miisa manodidina ny dimampolo. Voalaza fa taranaky ny mpaminany Mohamady izy, izay hiseho eo anatrehan' ny mpaminany ʿĪsa (Jesoa) ary hitarika ny Mozilmana hanapaka an' izao tontolo izao. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe المهدي / al-Mahdi ("ilay voatari-dalana tsara"). Andrasan' ny Mozilmana rehetra izy, nefa ao amin' ny silamo siitan' ny roa ambin' ny folo kosa dia manao azy ho ny imam faharoa ambin' ny folo sy farany. Ny Mahdi dia tsy mitovy lanja sy andraikitra arakaraka ny firehan' ny fivavahana silamo (sonita, siita ary ibady), izay tsy mitovy hevitra ny amin' io lohahevitra io.
Ao amin' ny lovantsofina silamo sonita dia taranaky ny mpaminanin' ny silamo Mohamady, ny Mahdi, izay ho avy amin' ny andro farany mba hamerina ny fivavahana mozilmana amin' ny laoniny sy ny rariny. Harahin' ny Antikristy (Al-Massih al-Dajjal "ny Mesia mpamitaka") ny fahatongavany. Hovonoin' i Îsâ (Jesoa) ny Antikristy. Manaraka izany dia hifanesy toy ny rojo perla vaky ny famantarana lehibe farany amin' ny andro farany (Gôga sy Magôga, ny masoandro miposaka any andrefana, ny fivoahan' ny bibidia, sns.). Avy eo dia hitsoka ny trompetran' ny fitsanganan' ny maty, ary ho avy Andriamanitra hitsara ny maty. Ny anaran' ny kalifa al-Mahdi, araka ny hadita maro, dia mitovy amin' ny tombo-kasen' ny mpaminany: Muhammad ibn 'Abd-Allah. Marihina fa ny teny hoe Mahdi dia tsy hita ao amin' ny Kor'any.
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.