Kidodo
| Kidodo | |
|---|---|
| kidodo | |
| Firenena | Madagsikara |
| Fiteny | betsileo |
Ny Kidodo dia iray amin'ireo dihy nentin-drazana avy amin'ny faritra Betsileo, izay ao amin'ny faritra afovoan'ny Nosy Madagasikara. Izy io dia mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny kolontsaina sy ny fomban-drazana Betsileo, indrindra amin'ny lanonana, fety, na hetsika manan-danja.
Kidodo dia dihy entina maneho hafaliana sy firaisankina amin’ny foko Betsileo.Matetika dia atao amin’ny endrika manodidina (boribory) izy io, ary mitondra hafatra ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina.Ahitana fihetsika mitovy sy mirindra, matetika miaraka amin’ny feon-javamaneno nentim-paharazana (amponga, sodina, kabosy sns.)[1]
Ireo toetra mampiavaka ny Kidodo
Misy fomba manokana amin’ny fihodinana sy fidirana anaty boribory, mifandimby. Amponga sy hira mifandray amin’ny tantara na angano, Manao lamba landy Betsileo na akanjo manaraka ny fomba nentin-drazana. ny olona mandihy kidodo.Misy fanilihana tànana, fitsambikina kely, ary fipetraka ara-potoana.
Anjara toerana eo amin’ny fiarahamonina
Ampiasaina amin'ny fety famadihana, fanambadiana, fidirana am-piangonana, na hetsika ara-kolontsaina ny kidodo.Endrika iray hanehoanafiraisan-kina, fanajana ray aman-dreny, ary fitohizan’ny taranaka.Izy koa dia fampitana soatoavin sy tantara amin’ny alalan’ny hira sy fihetsika[2].
Fandaharana amin'ny dihy
Fanomanana: Mivory sy mamelabelatra ny feo sy ny rindran-kira. Fidirana: Miforona boribory ny mpandihy, mandrindra. Fandihizana: Mandeha manodidina, miova toerana araka ny gadona. Famaranana: Mampiseho fihetsika farany maneho hafaliana na fankasitrahana.[2]
Ny Kidodo dia tsy vitan’ny hoe dihy fotsiny, fa fampisehoana ara-tsaina sy ara-kolontsaina lalina eo amin’ny Betsileo. Manampy amin’ny fitahirizana ny tantara sy ny maha-izy azy ny olona izany, ary tokony hotohizana sy harovana ho an’ny taranaka ho avy.[3]
Jereo koa
Rohy ivelany
Danse malagasy : Kidodo by Lita
Loharano
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.