Katy Perry

Katheryn Elizabeth Hudson (teraka tao Santa Barbara, 25 Oktobra 1984), fantatra amin’ny anarana ara-javakanto hoe Katy Perry, dia mpihira, mpandraharaha ary olo-malaza amin’ny fahitalavitra avy any Etazonia. Nahazo laza izy tamin’ny alàlan’ny rakikira One of the Boys (2008), rakikira pop rock izay nahitana ny hira voalohany navoakany “I Kissed a Girl” sy ny hira manaraka “Hot n Cold”, izay nahatratra ny laharana voalohany sy fahatelo tao amin’ny tabilao amerikanina Billboard Hot 100.
Ny rakikira pop voataonan’ny mozika disco Teenage Dream (2010) dia namokatra hira dimy nahatratra ny laharana voalohany tao Etazonia - “California Gurls”, “Teenage Dream”, “Firework”, “E.T.” ary “Last Friday Night (T.G.I.F.)” - ka nahatonga azy ho rakikira tokana nataon’ny artista vehivavy nahavita izany. Ny famoahana indray ilay rakikira, mitondra ny lohateny Teenage Dream: The Complete Confection (2012), dia namokatra tatỳ aoriana ny hira “Part of Me”, izay nahatratra ihany koa ny laharana voalohany tao amin’ny tabilao amerikanina.
Perry dia isan’ireo artista mozika be mpivarotra indrindra amin’ny fotoana rehetra, efa nivarotra rakikira mihoatra ny 143 tapitrisa maneran-tany. Manana hira sivy nahatratra ny laharana voalohany tao Etazonia izy, rakikira telo nahatratra ny laharana voalohany tao Etazonia, ary nahazo loka maro, anisan’izany ny Billboard Spotlight Award (izy no hany artista vehivavy nahazo izany hatramin’izao), Guinness World Records efatra, Billboard Music Awards dimy, American Music Awards dimy, Brit Award iray ary Juno Award iray. Perry dia tafiditra tao amin’ny lisitra isan-taona navoakan’ny Forbes momba ireo vehivavy be karama indrindra eo amin’ny mozika nanomboka tamin’ny 2011 ka hatramin’ny 2019.
Rakikira
- Katy Hudson (2001)
- One of the Boys (2008)
- Teenage Dream (2010)
- Prism (2013)
- Witness (2017)
- Smile (2020)
- 143 (2024)
Rohy ivelany
- Katy Perry Official Web
- ((en)) Katy Perry an'i Internet Movie Database
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.
