Karl Popper
| Karl Popper | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Karl Popper | ||
| Teraka | 28 Jolay 1902 | ||
| Toerana | - | ||
| Maty | 17 Septambra 1994 | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | Aotrisy, Fanjakana Mitambatra | ||
| Asa : | |||
| Fiainana manokana | |||
I Karl Popper dia mpampianatra sy filôzôfan' ny siansan' ny taonjato faha-20, Aotrisiana nahazo ny zom-pirenena britanika. Mpandinika tsy manaraka ny hevitra masaka izy, ka ao amin' ny asasorany rehetra izy dia nanasa ny mpamaky ho amin' ny fisaintsainana sy amin' ny fifanakalozan-kevitra ary amin' ny fampiifandonan-kevitra. Teraka tamin' ny 28 Jolay 1902 tao Vienna, Aotrisy, izy, ary maty tamin' ny 17 Septambra 1994 tao London (Croydon) any amin' ny Fanjakana Mitambatra.
Nalaza tamin' ny heviny momba ny epistemôlôjia izy, saingy afaka nanana fomba fijery vaovao momba ny pôlitika sy ny siansa sôsialy. Nandray anjara tamin' ny fifanakalozan-kevitra avo lenta tamin' ny mpahay siansa malaza indrindra tamin' ny androny izy. Ny lazany dia niorina amin' ny famolavolana mason-tsivana ho enti-manavaka ny siansan' ny fanandramana sy ny fahalalana hafa. Nanantitrantitra ny amin' ny atao hoe "fahafaha-manohitra" amin' ny alalan' ny fanandramana izy mba hamaritana ny fahalalana siantifika. Nofaritany ihany koa ny fisokafana amin' ny fitsikerana izay fepetra sahaza hanondroana ny fahalalana voasaina amin' ny ankapobeny. Nofaritany araka izany ny rijan-kevitra metafizika ho rafitra tsy azo tsipahina amin' ny alalan' ny fanandramana kanefa ekeny ny mety hisian' ny fandalinana ny maha zava-dehibe azy ireny sy ny fampitahana azy ireo.
Tamin' ny naha profesora tao amin' ny London School of Economics azy dia nantitranteriny fa ilaina ny manorna ny fikarohana siantifika amin' ny "programam-pikarohana metafizika" ary napetrany ao anatin' ny rafitry ny epistemôlôjia evôlisiônista ny asa fikarohany.
Jereo koa
Rohy ivelany
- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Aprily 9, 2016 at the Wayback Machine
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.
