Jaffa

I Jaffa, avy eo amoron-dranomasin' i Tel Aviv.

I Jaffa dia ampahany atsimo sady tranainy amin' ny tanànan' i Tel Aviv-Jaffa any Israely. Io no iray amin' ireo seranan-tsambo tranainy indrindra any amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea.

Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe יָפוֹ / Yāfō (fanononana hebreo tsotra) na Yāp̄ô (fanononana hebreo tiberiana); ao amin' ny takela-tanimanga tao Tell al Amarna tamin' ny taona 1350 tal. J.K., izy dia antsoina hoe Yapu; amin' ny teny arabo kosa dia يَافَا / Yāfā. Amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe Japho or Joppa, fa indraindray dia antsoina hoe Joppé na Jophé amin' ny teny frantsay.

Ny seranan-tsambon' i Jaffa, izay tena niasa tamin' ny Andro Taloha tamin' ny Andro Antenatenany, dia iray amin' ireo fijanonana manan-danja amin' ny lalana mankany Atsinanana, toy ireo seranan-tsambo hafa ao amin' ilay faritra. Tamin' ny Andro Antenatenany i Jaffa dia iray amin' ireo tohatra tao Ampiposahana, na dia manan-danja faharoa raha oharina amin' i Akko (na Acre). Mbola tavela hatramin' izao ny ampahany amin' ilay seranan-tsambo sy ny môzaika tranainy sasany.

Taorian' ny fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely dia nitambatra tamin' ny tanànan' i Tel Aviv i Jaffa tamin' ny taona 1950 ary niitatra. I Jaffa dia fantatra ao amin' ny tantaran' i Jônà (na Jônasa) sy ny an' i Sôlômôna ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Testamenta Vaovao, ary koa ao amin' ny fedrà grika momba an' i Andrômeda sy i Perseosy.

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.