Islamisma

Ny islamisma dia foto-pampianarana manohana ny finoana silamo ho ideôlôjia pôlitika. Izany dia ahitana ny fanetsiketsehana ny Mozilmana momba ny tetikasa ara-tsôsialy sy ara-pôlitika mifototra amin' ny fitsipika sy ny lalàna ara-pivavahana (Sharia). Io no teny mitovy hevitra ara-pivavahana ho an' ny "silamo pôlitika". Ny mpiaro ny islamisma dia atao hoe "al-Islamiyyun"
Amin' ny ankapobeny dia momba ny pôlitika ny fampiasana ny teny hoe "islamisma", izay niseho tamin' ny taonjato faha-20, hatramin' ny nipoirany indray dia nivoatra be ny heviny tamin' ny faran' ny taona 1970. Mety ho fisafidiana am-pahatsorana ny foto-pampianarana mozilmana ho tari-dalana amin' ny hetsika ara-pôlitika izany, na koa momba ny ideôlôjia mampivily ny finoana silamo hanatanterahana tetikasa pôlitika: manova ny rafitra ara-pôlitika sy ara-tsôsialy ao amin' ny firenena amin' ny alalan' ny fanaovana ny lalàna Sharia, izay terena ho raisin' ny fiaraha-monina iray manontolo ny fandikana azy tsy misy isalasalana, ho hany loharanon-dalàna. Noho izany dia teny fampiasa mampiady hevitra ny hoe islamisma.
Ny ankamaroan' ny mpiaro ny islamisma dia mifandray amin' ny fikambanana silamo na hetsika fanentanana ara-tsôsialy, izay matetika antsoina hoe "al-harakat al-Islamiyyah". Ny Islamista dia manantitrantitra ny fampiharana ny Sharia, ny firaisankina ara-pôlitikan' ny Mozilmana rehetra ("pan-islamika"), ny fananganana fanjakana islamika (hitambatra amin' ny farany), ary ny fandavana ny fitaoman' ny tsy Mozilmana — indrindra fa ara-toekarena, ara-tafika, ara-pôlitika, ara-tsôsialy, na ara-kolontsaina, avy amin' ny Tandrefana na maneran-tany.
Ireo olo-malaza amin' ny islamisma tamin' ny taonjato faha-20 dia ahitana an' i Sayyid Rashid Riḍā, i Hassan al-Banna (mpanorina ny Firahalahiana Mozilmana), i Sayyid Qutb, i Abul A'la Maududi, i Ruhollah Khomeini (mpanorina ny Repoblika Islamikan' i Iràna), i Hassan Al- Turabi. Ilay mpitondra fivavahana sonita siriana Muhammad Rashid Riḍā, mpanohitra mafy ny fampidirana kolontsaina tandrefana sy ny ziônisma ary ny nasiônalisma, dia nanohana ny tokony haha iraisam-pirenena ny sonisma amin' ny alalan' ny famerenana amin' ny laoniny amin' ny fomba revôlisiônera ny kalifata iraisan' ny Mozilmana rehetra sy ho an' ny finoana silamo iray manontolo mba hampiray ara-pôlitika ny Tontolo Mozilmana.
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.