Iemena

Sainan' i Iemena
Sarin-tany maneho an' i Iemena eo anivon' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Iemena

I Iemena dia firenena ao Atsinanana Akaiky, any Azia, ao amin’ ny tendro atsimo-andrefan’ ny Saikanosin' i Arabia sady manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Mena sy ao amin’ ny Hoalan' i Aden. Ny renivohiny dia i Sana'a. Mirefy 527 829 km2 ny velaran-taniny ary miisa 23 833 000 ny isan' ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia +3.

Ao atsimo dia ahitana lemaka amorontsiraka somary tery izay manana halava mirefy 1 900 km manamorona ny Hoalan' i Aden; ao andrefana ny dia ahitana ny lemaka amorontsirak’ i Tihâmah izay be fasika sady karankaina. Any anaty tany kokoa, eny afovoan’ ny tany lemaka, no hitana tendrombohitra sy lembalemba avo. Midina ny vohon-tany rehefa mankany amin’ ny sisin-tany ao avaratra-atsinanana (mankany Arabia Saodita sy any Ômana) ary tany efitr’ i Ar Rub‘ al Khal no hita any.

Ny mponina any Iemena dia mivangongo kokoa ao amin’ ny tapany atsimo sy andrefan’ io firenana io. Ny vahoaka monina an-tendrombohitra sy amin’ ny morontsiraka atsimo dia Arabo, fa ny ao amin’ ny tany lemaka amorontsiraka andrefan’ i Tihâmah dia manam-piaviana arabo sy afrikana. Saika ny mponina any Iemena manontolo dia manaraka ny finoana silamo. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialy ao Iemena.

Miompana amin’ ny fambolena ny toekaren’ i Iemena (na dia eo aza ny faritra misy azy sy ny toetany izay tsy dia tsara ho an’ ny fambolena), nefa ny fitrandrahana solitany dia mitombo hatrany nanomboka tamin’ ny taompolo 1980.

Teraka tamin’ ny taona 1990 i Iemena ankehitriny, tamin’ ny alalan’ ny fitambaran’ ny Repoblika Demôkratika Entim-Bahoakan' i Iemena (tao atsimo) sy ny Repoblika Arabon' i Iemena (tao Avaratra).

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.