Hetra

Ny hetra dia vola na zavatra hafa izay tsy maintsy aloan' ny olona amin' ny governemanta. Tamin' ny Andro Taloha dia manafika ny olona avy amin' ny toerana hafa ny olona avy amin' ny tanàna na faritra iray, ka manery azy ireo handoa hetra. Ny hetra dia midika fa mandoa vola (na zavatra hafa) ny olona resy, ary ny mpandresy dia tsy hanafika azy ireo intsony. Ny hetra malaza dia ny Danegeld, rehefa resin' ny olona avy any Danemarka ny ampahan' i Angletera dia nampandoaviny vola madinika volafotsy an' arivony ny Anglisy.

Amin' ny alalan' ny hetra no andoavan' ny governemanta ny karaman' ny mpiasan' ny firenena na fanjakana na ny tanàna. Io vola io dia andoavana ny karaman' ny olona izay miasa ho an' ny governemanta sy andoavana ny fandaniam-bola ataon' ny governemanta toy ny fanamboarana na fikojakajana ny lalana sy ny tetezana.

Karazan-ketra

Maro ny karazana hetra. Mifototra amin' ny vola azon' ny olona tsirairay ny hetra sasany. Arakaraka ny habetsahan' ny vola karaman' ny olona iray no vao mainka mahatonga azy hampandoavina vola betsaka. Izany no antsoina hoe hetra amin' ny fidiram-bola.

Jereo koa

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.