Gestapo
Ny Gestapo dia fanafohezana ny "Geheime Staatspolizei", izay miaramila miafina alemaina alemanina, nampihorohoro tokoa tamin'ny andron'ny fitondrana nazista notarihin'i Adolf Hitler. Hermann Göring no nanangana azy io tamin'ny taona 1933.
Ny SS no tafika nazista tamin'izany fotoana izany, fa ny Gestapo kosa dia hery niafina izay zary biby fampitahorana an'i Eoropa, noho izy tafiditra an-tsokosoko tamin'ireo sokajin'asa rehetra (birao, ozinina, sekoly,...), natao hitsikilo ary nanana fahefana nanondro sy nanendrikendrika, nisambotra sy nandefa tany amin'ny toby fampijaliana ireo izay lazaina fa nanohitra ny fitondran'i Hitler.
Ny volana aprily 1934 kosa dia nahasahana hatramin'ny SS ny Gestapo, ka i Himmler no natao lehibeny, ary ny volana jiona 1936 izy no lasa lehibe tsy refesi-mandidin'ny polisim-pirenena alemana. Tamin'izany no nizarana ho roa ny polisy :
- ny polisy miandraikitra ny fiarovana - Sicherheitspolizei - i Reinhard Heydrich no lehibeny , ka tafiditra ao anatin'izany ny zandary, ny polisy mpitandro filaminana (Schutzpolizei) ary ny polisim-bohitra (Gemeindepolizei).
- sy ny polisy misahana ny filaminana - Ordnungspolizei - i Kurt Daluege no lehibeny izay nahitana ny polisin-jiolahy (Kriminalpolizei) sy ny Gestapo.
Ny 10 Febroary 1936 no nivoaka ny "vinavinan-dalàna Goring" izay manome fahefana tanteraka ny Gestapo hiasa tsy misy sakantsakana amin'ny sehatra rehetra, ary tsy azo natao tamin'izany ny nanohitra na nametraka fitarainana. Izay no nahatonga ny Gestapo niasa tanatin'ny tsy rariny tanteraka sy nampanjaka ny fampihorohorona tsy tamin'ahiahy.
Ny Fivoriamben'i Nurnberg no nanafoana ity endriky ny habibiana sy izay rehetra mamoafady nampiharin'ny fitondrana nazista ity.
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.