Fabaceae
| Fabaceae | |
|---|---|
| Sôza (Glycine max) | |
| Fanasokajiana ara-tsiansa | |
| Fanjakana: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Filaharana: | |
| Fianakaviana: | Fabaceae
|
Ny Fabaceae na Leguminosae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Fabales. Anisan' ny fianakavian-javamaniry maro karazana indrindra amin' ny zavamaniry mamony izy ireo, fahatelo aorian' ny Orchidaceae sy ny Asteraceae raha ny karazana ao aminy no heverina. Misy vondron-karazana 765 eo ho eo ny Fabaceae izay misy karazany 19 500 mahery. Ny zana-pianakaviana telo fantatra dia ireto manaraka ireto: ny Mimosoideae sy ny Caesalpinioideae ary ny Faboideae na Papilionoideae. Amin' ny lafiny ara-toekarena, ny Fabaceae no fianakavian-javamaniry faharoa manan-danja indrindra aorian' ny Poaceae, sady loharanom-prôteinina tena ilaina amin' ny sakafo ho an' ny olombelona sy ny biby. Anisan' izany ny tsaramaso (Phaseolus vulgaris L.), ny tsiasisa (Cicer arietinum), ny voanemba (Vigna sinensis L.), ny sôza (Glycine max), ny voanjo (Arachis hypogaea), ny kily (Tamarindus indica), ny lozerna (Medicago sativa), likôrisa (Glycyrrhiza glabra).
Fanasokajiana
Zana-pianakaviana
Mizara ho zana-pianakaviana telo ny Fabaceae, araka ny fanasokajiana klasika:
- Mimosoideae
- Caesalpinioideae (amin' ny heviny tery)
- Faboideae.
Mizara ho zana-pianakaviana enina izy araka ny fanasokajiana filôjenetika, dia ireto izany:
- Caesalpinioideae, amin' ny heviny malalaka, ao anatiny ny Mimosoideae (misy vondron-karazana); fianakaviana Caesalpiniaceae ao amin' ny fanasokajiana klasika)
- Cercidoideae (misy vondron-karazana )
- Detarioideae (misy vondron-karazana )
- Dialioideae (misy vondron-karazana )
- Duparquetioideae (misy vondron-karazana )
- Faboideae na Papilionoideae (misy vondron-karazana )
Vondron-karazana
Ny vondron-karazana lehibe indrindra dia ny Astragalus (karazana 2 400 mahery), ny Acacia (karazana 950 mahery), ny Indigofera (karazana 700 eo ho eo), ny Crotalaria (karazana 700 eo ho eo) ary ny Mimosa (karazana 500 eo ho eo). Ny vondron-karazana Faba, izay atsoina hoe Vicia koa, no vondron-karazana filamatra. Ao amin' ity fianakaviana ity dia ahitana ireto vondron-karazana manaraka ireto, izay natsitokotoko isaky ny zana-pianakaviana araka ny fanasokajiana filôjenetika: Caesalpinioideae, Cercidoideae, Detarioideae, Dialioideae, Duparquetioideae, Faboideae (lisitra tsy feno):
Mimosoideae
Ao.amin' ny Mimosoideae no ahitana ireto vondron-karazana ireto:
- Albizia
- Anadenanthera
- Entada (anisany ny fany (Entada chrysostachys sy Entada africana))
- Inga;
- Pithecellobium;
- Acacia (anisany ny mimôza);
- Mimosa
- sns
Caesalpinioideae
Ao.amin' ny Caesalpinoideae no ahitana ireto vondron-karazana ireto:
- Afzelia;
- Amherstia;
- Bauhinia;
- Brachystegia;
- Caesalpinia;
- Cassia;
- Ceratonia;
- Cercis;
- Colophospermum;
- Copaifera;
- Delonix;
- Gleditsia;
- Haematoxylum;
- Melanoxylon;
- Parkinsonia;
- Paubrasilia;
- Peltophorum;
- Schizolobium (tsy ahitana afa-tsy ny Schizolobium parahyba);
- Sclerolobium;
- Senna;
- Tamarindus (tsy ahitana afa-tsy ny kily na madilo (Tamarindus indica));
- sns.
Faboideae na Papilionoideae
Ao.amin' ny Faboideae no ahitana ireto vondron-karazana ireto:
- Abrus (tsy ahitana afa-tsy ny Abrus precatorius);
- Aeschynomene;
- Amorpha;
- Anthyllis;
- Arachis (anisany ny voanjo (Arachis hypogaea));
- Aspalathus (tsy ahitana afa-tsy ny Aspalathus linearis);
- Astracantha;
- Astragalus;
- Bowdichia;
- Brongniartia;
- Canavalia;
- Cicer (anisany ny tsiasisa (Cicer arietinum));
- Cyclopia;
- Cytisus;
- Coronilla;
- Dalbergia;
- Derris;
- Desmodium (tsy ahitana afa-tsy ny Desmodium adscendens);
- Dorycnium;
- Ebenus;
- Eutaxia;
- Genista;
- Glycine;
- Glycyrrhiza (tsy ahitana afa-tsy ny Glycyrrhiza glabra);
- Hippocrepis;
- Lablab (anisany ny antaka (Lablab purpureus));
- Laburnum;
- Lathyrus;
- Lens;
- Lotus;
- Lupinus;
- Medicago;
- Melilotus;
- Onobrychis;
- Ononis;
- Phaseolus (anisany ny vahitsaramaso (Phaseolus coccineus));
- Physostigma;
- Pisum;
- Robinia;
- Sophora;
- Trifolium;
- Trigonella;
- Ulex;
- Vicia na Faba;
- Vigna;
- Wisteria
- sns
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.