Encyclopedia of Life

Soratra sy sary famantarana ny EOL

Ny Encyclopedia of Life (EOL) dia tetikasa rakipahalalana an-tserasera momba ny zavamananana iaraha-miasa, nahazo aingam-panahy avy amin' ny rafitra Wikipedia fa soratan' ny manampahaizana manokana. Ahitana lahatsoratra natokana ho an' ny karazan-javamananaina fantatra tsirairay ny EOL, aseho amina horonan-tsary, feo, sary, kisary, ary lahatsoratra omen' ny manam-pahaizana. Nanana tetibola voalohany 50 tapitrisa dôlara amerikana izy io, nomen' ny andrim-pikarohana dimy eo ambany fiahian' ny MacArthur Foundation.

Ahitana fampahalalana momba ny tetikasa ny tranokalan' ny EOL, sady misy fanontaniana be mpametraka (FAQ), misy vavahadin-tserasera misokatra, ary lahatsoratra santionany maro. Ampoizina fa lahatsoratra maro be no ho hita an-tserasera tamin' ny tapaky ny taona 2008.

Ity tetikasa ity dia tohanan' ny manam-pahaizana avy amin' ny ftambaran' ny Biodiversity Heritage Library, ny Field Museum, ny Harvard University, ny MacArthur Foundation, ny Marine Biology Laboratory, ny Missouri Botanical Garden, ny Sloan Foundation ary ny Smithsonian Institution.

Jereo koa

Rohy ivelany

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.