Ebera
I Ebera na Hebera dia olona resahina ao amin' ny Baiboly. Izy no razamben' ny Hebreo (Gen. 10:21) sy ny Ismaelita araka ny Bokin' ny Genesisy (Gen.10 - 11) sy ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 1). Zanak' i Sela izay taranak' i Seta izy. I Pelega sy i Jôktana (na Iôktana) no zanany (Gen. 10:25).
Ny amin' ilay anarana
Ny anarana hoe Ebera na Hebera dia fanagasiana ny anarana hebreo hoe עֵבֶר / ʻĒḇer na Ever. Amin' ny fiteny arabo izy dia atao hoe ʿĀbir. Ny teny hebreo hoe ivri, izay midika hoe "hebreo", dia avy amin' ny teny hoe ever na eber. Avy amin' io koa ny teny arabo hoe عبر / aber izay midika hoe "miampita". Ny fototeny aramena sy hebreo hoe עבר dia mifandray hevitra amin' ny hoe "fiampitana" na ny hoe "eny ampita"[1]. Misy mihevitra fa mety ho anarana toerana ny hoe Ebera, faritra izay mety manakaiky an' i Asiria[2].
Ny fianakavianty sy ny taranany
I Ebera dia zafiafin' i Sema zanak' i Nôa sady rain' i Pelega izay teraka rehefa feno 34 taona i Ebera (134 araka ny Septoaginta na Septanta), sy rain' i Jôktana (na Iôktana). Zanak' i Sela izay razamben' i Abrahama izy. Araka ny Tanakh, i Ebera dia maty tamin' ny faha-464 taonany (na 404 araka ny Septoajinta) (Gen. 11.14-17) rehefa feno 79 taona i Jakôba.
Ao amin' ny Septoaginta kosa, ny rain' i Ebera (grika: ῞Εβερ/ Eber) dia i Sala (grika: Σαλά / Salà). Atao hoe Falega (grika: Φαλέγ / Faleg) ny zanany izay teraka rehefa 134 taona i Ebera, ary nanana zanakalahy hafa sy zanakavavy izy. Niaina nandritra ny 404 taona i Ebera (Gen. 11. 14-17 - araka ny Septoajinta).
Jereo koa
Loharano sy fanamarihana
- ↑ Marcus Jastrow, A Dictionary of the Targumim, the Talmud Babli and Yerushalmi, and the Midrashic Literature (London, W.C.: Luzac & Co. ; New York: G. P. Putnam's Sons; 1903), p. 1039 etc.
- ↑ Hirsch, Emil G.; König, Eduard (1903). "Eber". In Singer, Isidore; et al. Jewish Encyclopedia. 5. New York: Funk & Wagnalls Company. p. 30.
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.