Digitaria
Ny Digitaria dia vondron-karazana zavamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka, ahitra ao amin' ny fianakaviana Poaceae, ao amn' ny filaharana Poales, izay ahitana karazana 300 eo ho any amin' ny faritra manana toetany antonony mafana sy mafana, nefa mety ho hita ihany koa any amin' ny faritra mangatsiaka kokoa. Izy ireo dia bozaka maniry isan-taona sy maharitra mihoatra ny roa taona, izay maniry eny amin' ny kijana, ary misy fanao vilona ho an' ny biby fiompy; ny sasany matetika heverina ho ahidratsy manimba ny ahimaitso. Mampiavaka azy ireo ny vondrom-boniny lava miendrika rantsan-tanana, izay iantsoana azy hoe "Digitata".
Fampiasana
Ny karazana sasany dia heverina ho ahidratsy, indrindra raha maniry eo amin' ny ahimaitso sy amin' ny kianja fanaovana gôlfa ary amin' ny voly sasany, indrindra ny katsaka. Amin' ny karazana hafa, toy ny Digitaria cruciata, ny Digitaria exilis, ny Digitaria iburua, ny Digitaria compacta ary ny Digitaria sanguinalis (ahimena), ny voany dia ataon' ny olona sakafo ao Afrika, any Azia ary any Eorôpa; voasokajy ho anisan' ny voamadinika ireo karazana ireo. Farany, ny karazana Digitaria isan-karazany, anisan' izany ny Digitaria decumbens, dia ambolena hatao vilona any amin' ny faritra trôpikaly. Azo atao endasina izy ireo, totoina ho koba, andrahoina hatao sakafo, na aotrika mba hanaovana labiera. Vokatra fototra amin' ny fambolena any amin' ny faritra sasany ao Afrika ny karazana sasany. Manana otrikaina tsara koa izy io ka tsara ho an' ny biby fiompy.
Karazana voatsonga
Indreto ny karazana sasany izay hita eto Madagasikara:
- Digitaria abyssinica (A.Rich.) Stapf (= Digitaria scalarum Chiov.) --
- Digitaria atrofusca (Hack.) A.Camus -- ahipisaka
- Digitaria bicornis (Lam.) Roem. & Schult. (= Digitaria biformis Willd.) -- ahidahy, ahipody
- Digitaria bosseri Voronts. --
- Digitaria ciliaris (Retz.) Koeler (= Digitaria adscendens (Kunth) Henrard.) -- ahipalana, fandropalana, kindresimena
- Digitaria debilis (Desf.) Willd. -- kindresifotsy
- Digitaria didactyla Willd. -- fandropalana, volonondry
- Digitaria fulva Bosser --
- Digitaria horizontalis Willd. --
- Digitaria humbertii A.Camus -- fandrodahy, fandropalana, volonondry
- Digitaria longiflora (Retz.) Pers. --
- Digitaria madagascariensis Bosser --
- Digitaria manongarivensis A.Camus --
- Digitaria milanjiana (Rendle) Stapf --
- Digitaria psammophila Henrard --
- Digitaria pseudodiagonalis Chiov. --
- Digitaria radicosa (J. Presl) Miq. (= Digitaria timorensis (Kunth) Balansa) -- fandropalana
- Digitaria sanguinalis (L.) Scop. -- ahimena, ahipalana, ahipody
Jereo koa
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.