Citrus

Ny Citrus dia vondron-karazana hazo madinika sy hazobotry mamony ao amin' ny fianakaviana Rutaceae. Anisan' ny zavamaniry atao amin' ny teny malagasy hoe voasary na voangy ny karazana maro ao aminy. Ny zavamaniry ao amin' ilay karazana dia mamokatra voam-boasary, anisan' izany ny vokatra manan-danja toy ny voasary mamy, voasarimakirana, laoranjy sns. Ny karazana voasary dia teratany any Azia Atsimo, any Azia Atsinanana, any Azia Atsimo-Atsinanana, any Melanezia ary anyAostralia. Ny karazana sitry isan-karazany dia efa nampiasain' ny kolontsaina indizeny any amin' ireo faritra ireo hatramin' ny taloha.
Karazana sy safiotra

Miovaova arakaraka ny fomba fiasa ara-takonômia ataon' ny manam-pahaizana ny isan' ny karazana ao amin' ny vondron-karazana Citrus, satria io vondrona io dia ahitana fiforonana safiotra taloha sy vao haingana. Tsy sahala amin' ny vondron-karazana bôtanika hafa izay marin-toerana kokoa ny voasary satria mitambatra ho safiotra mora foana, ka miteraka fomba fanisana samihafa ny karazana arakaraka ny vanim-potoana teo amin' ny tantara (manodidina ny 10 ka hatramin' ny manodidina ny 160).

Ohatra, ny fanasokajiana nataon' i Walter T. Swingle sy i Reece (1967) dia manavaka karazana 16 eo ho eo. Ny fanasokajiana natan' i Tyozaburo Tanaka (1961) dia nahitana karazana hatramin' ny 156, satria safiotra maro nomeny satan-karazana feno. Mampiseho ny fandinihana vao haingana fa avy amin' ny karazana razambe vitsivitsy ny ankamaroan' ny voasary ambolena (4 hatramin' ny 10).

Ny endrika manan-danja hafa rehetra (laoranjy, voasarimakirana, matsitso, sns) dia safiotra avy amin' ny karazana fototra (Citrus medica, Citrus maxima, Citrus reticulata, Citrus micrantha).
Karazana

Indreto ny karazana fototra misa 8:
- Citrus medica
- Citrus maxima
- Citrus reticulata
- Citrus micrantha
- Citrus mangshanensis
- Citrus hystrix
- Citrus cavaleriei
- Citrus japonica

Raha ampidirina ao anatin' ny lisitra ny safiotra sy taksôna marin-toerana rehetra fantatra amin' ny agrônômia, dia matetika mihoatra ny 20 ka hatramin' ny 30 ny anarana siantifika ampiasaina amin' ny literatiora natokana ho an' ny voasary. Amin' izao fotoana izao dia misy karazana 28 eken' ny Plants of the World Online (POWO):
- Citrus assamensis
- Citrus australasica
- Citrus australis
- Citrus cavaleriei
- Citrus garrawayae
- Citrus glauca
- Citrus gracilis
- Citrus halimii
- Citrus hystrix
- Citrus indica
- Citrus inodora
- Citrus japonica
- Citrus khasya
- Citrus latipes
- Citrus mangshanensis (na Citrus deliciosa)
- Citrus maxima
- Citrus medica
- Citrus neocaledonica
- Citrus oxanthera
- Citrus polytrifolia
- Citrus pubinervia
- Citrus reticulata
- Citrus swinglei
- Citrus trifoliata
- Citrus undulata
- Citrus wakonai
- Citrus warburgiana
- Citrus wintersii
Lisitra fanampiny
- Citrus brevipes
- Citrus floridana
- Citrus garrawayae
- Citrus garrawayi
- Citrus georgiana
- Citrus grandis
- Citrus insitorum
- Citrus junos
- Citrus latifolia
- Citrus limon
- Citrus lucida
- Citrus microcarpa
- Citrus platypoda
- Citrus polyandra
- Citrus taitensis
- Citrus webberi
Safiotra
- Citrus × aurantifolia
- Citrus × aurantium
- Citrus × bergamia
- Citrus × clementina
- Citrus × ichangensis
- Citrus × jambhiri
- Citrus × latifolia
- Citrus × limetta
- Citrus × limettioides
- Citrus × limodulcis
- Citrus × limon
- Citrus × limonia
- Citrus × limonia
- Citrus × nobilis
- Citrus × paradisi
- Citrus × reshni
- Citrus × sinensis
- Citrus × tangelo
- Citrus × tangerina
- Citrus unshiu
Karazana sy safiotra misy eto Madagasikara
Indreto ny karazana misy eto Madagasikara:
- Citrus aurantifolia -- angy, besenta, hangy, matsitso, soa, tsirebika, voantolongo, voasarimakirana, voasarimamy, voasarimandina, voasarisoa, voasary
- Citrus aurantium -- angy, besenta, hangy
- Citrus grandis -- angibe, hangibe, papelimosy, pilionosy, tremo, voahangibe, voasaribe, voasarihangibe
- Citrus hystrix -- voangabe, voangibe
- Citrus jambhiri --
- Citrus limon --
- Citrus limonia --
- Citrus maxima --
- Citrus medica -- voamandina, voantolongo, voasarimandina
- Citrus nobilis -- mandarina
- Citrus paradisi --
- Citrus reticulata --
- Citrus sinensis -- voasary
- Citrus volkameriana --
Jereo koa
- Voasary (zavamaniry)
- Rutaceae (fianakaviana)
- Aurantioideae (zana-pianakaviana)
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.